13 MAI 1972 :
Nampidirin'i sely1993 | 4 Nov, 2006LAHATSORATRA VOALOHANY
TALATA 16 MAY
Nilamina ny tanàna raha ny ankapobeny satria samy tsindrian-daona niandry ny fiverenan'ireo mpianatra avy any Nosy-lava, izay niisa 372, araka ny filazana ofisialy.
Tamin'ny sivy ora sy fahefany maraina, dia notendren'ny Prezidan'ny Repoblika ny Jeneraly Gilles Andriamahazo ho delege militera ao Antananarivo, nisolo an'Atoa Jean-Jacques Rakotoniaina. Ary dia re koa fa ny FRS rehetra dia naterina tany amin'ny toerana misy azy, nambenan'ny zandarma.
Voalaza tao amin'ny fandefasam-peom-pirenena fa tany Toamasina dia nisy fotoam-pivavahana nikambanana ho an'ireo namoy ny ainy tamin'iny fitokonana iny ary nitokona nandritra ny indroa andro ny mpiasa rehetra. Tamin'ny valo latsaka folo, dia tody soa aman-tsara teny anoloan'ny Lapan'ny tanàna ireo notanana vonjy maika tany Nosy-Lava izay noraisin'ny vahoaka an'aliny tamim-pahanginana sy filaminana ary fahamendrehana tanteraka.
Nikabary fanintelony ny Prezidà Tsiranana nanafatrafatra an'ireo mpitokona tafaverina avy any Nosy-Lava mba hitandro ny filaminana, ary nanafatrafatra an'ireo mpianatra sisa mba tsy hifoka rongony, izay fanetriben'ny firenena sy mahakizo taranaka.
LAHATSORATRA FAHAROA
Lakroan'i Madagasikara : 28 mey 1972, N° 1791, page 3.
IZAHAY TANY NOSY-LAVA.
Ny alin'ny sabotsy mifoha alahady dia mbola nivory tao amin'ny Oniversite izahay. Tamin'ny 10 alina dia tsikaritry ny sasany taminay izay nikarakara ny filaminana fa voahodidina miaramila ilay trano nivorianay. Tampoka tamin'ny misasakalina dia nanao be miditra tao amin'ny efitrano nivorianay ny FRS. Rano an-dravina izahay rehetra ary samy nikoropaka niala teny amin'ny toerana ka nivangongo toa renintantely tery aloha tery, nijery ireto miaramila toa handrapaka anay. Tsy hay lazaina intsony ny tebiteby nanjo anay fa samy nihevitra fa io no fara-fiainana. .
Dia nilaza ireto miaramila fa ho avy hanao sava hao ny trano izy ireo, ary nangataka anay mba samy hamonjy ny toerany avy. Samy namonjy ny toerany am-pilaminana izahay ary samy niandry izay hatao anay...
Tsitapitapitr'izay dia nasaina nivoaka tsirairay izahay ary nasaina niditra tao anaty fiarakodia vaventy ary niandry tao ka niandry izay hiafaran-javatra, nangovitry ny tahotra sy ny hatsiaka. .
Tamin'ny efatra sy sasany maraina vao niainga ny aotomobilina, nahazo an'Ambanidia sy Tsimbazaza ary Soanierana sy Anosipatrana ary dia nirimorimo nankany Arivonimamo. Teo dia somary taratray fa hohidiana an-tranomaizina ao Arivonimamo izahay. Gaga sy talanjona indray anefa izahay nahita ireto fiaramanidina dimy nihatrana sy vonona handeha lavitra. Fa ho aiza indray ity ny haleha, hoy izahay nanontany tena ? Teo vao noraisina tsirairay ny anaranay ary nizarana an'ilay taratasy fanamelohana sy fanaovana sesitany anay. Dia niditra izahay fa tsy fantatray izay haleha, fa iza moa no mbola nahalala izany sesitany izany no ny toerana tsy fantatra rahateo... .
Dia niainga ny fiaramanidina nitondra anay tamin'ny roa tolakandro ary nijanona tao Antsohihy. Teo indray dia nasaina niova fiaramanidina izahay, ka tamin'ny telo sy sasany indray no niaingana. Tamin'ny dimy sy sasany hariva vao tonga tao Analalava. Noho ny andro efa hariva dia tafandry tao izahay. Ny zazavavy moa dia nomena efitrano manokana sy kidoro, hono. Fa izahay zazalahy kosa dia nandry teo amin'ny tora-pasika...
Tamin'ny dimy sy sasany maraina dia tonga ny lakana notarihin'ny motera haka anay ho any amin'izao Nosy-Lava izao, izay nosy kely any amin'ny 25 kilaometatra any afovoan'ny ranomasina any. Teo vao velon-tsento ka nanao veloma an'i Madagasikara tanindrazanay, ka tsy niala ny maso nijery an'ilay tanindrazana tsy mitsaha-mihalavitra anay ary nanangasanga farany tany anaty zavona tany. .
Rehefa tonga tany Nosy-Lava izahay dia noraisin'ny Gardien-Chef tsara ary noraisiny indray ny anaranay. Trano tsy misy kidoro fa nopasohana simenitra, be lavadavaka no nasaina hatorianay. Naleonay anefa natory teo amorom-pasika koa , toy izay ho voan'ny hatsiaka tamin'ny simenitra. .
Noho ny tsy fahampian'ny sakafo dia indroa ihany izahay no nihinana dia ny antoandro sy ny hariva, ary na dia namofompofona aza ny vary, dia samy nanezaka satria mafy ny hanoanana nahazo, ary mba nisy ihany ny laoka tsaramaso niharo tamin'ny teti-kena madinika. Naharitra adiny roa ny fisakafoana satria vilia 30 no nifandimbiasan'ny tanora nahatratra roanjato mahery. .
Tampotampoka ny alatsinainy tamin'ny roa sy sasany tolakandro dia nilazana indray izahay fa hiverina an-tanindrazana. .
Toa nofy no fandrenesanay an'izany, kanefa ny nofy dia nody tena zavatra ka tafaverina soa aman-tsara teto an-tanindrazana indray izahay. Izany dia mampisaotra ny firaisankinan'ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ary ny mpiasa sy ny vahoaka malagasy manontolo, fa matoa izahay tsy latsaka tao amin'ny lalina sy ny famoizam-po dia noho ny fiezahan'izy ireo ihany. .
Ho ela velona anie i Madagasikara iray tsy mivaky. .
Mpianatra iray tany Nosy-Lava.
LAHATSORATRA FAHATELO
- Lumière N°1878 21 Mai 1972 P 1.6.
Mardi16 - Journée calme : on attend le retour des 372 exilés de Nosy-Lava. .
A 9h15, on apprend que le président Tsiranana a nommé le général Andriamahazo gouverneur militaire de Tananarive. .
Les FRS ont tous été ramenés dans leur caserne, gardés par les gendarmes.
A Tamatave, prière œcuménique pour les morts de samedi et grève de solidarité de 48 heurs. .
De 13 à 17h, arrivée des avions des déportés à Ivato. Tous arriveront ensemble à l'Hôtel de Ville à 19h50. Le cardinal Rakotomalala est sur le podium. La foule se disperse en silence. .
Troisième message radiodiffusé du président Tsiranana : « Les enfants sont revenus ».Mais mise en garde contre le rongony (chanvre) que fument les élèves et qui serait la ruine de la Nation ! .
LAHATSORATRA FAHEFATRA
- Lakroan'i Madagasikara, Alahady 4 Jiona 1972. Laharana faha-1792 page 2
NOSY-LAVA IHANY :
Nisy nangataka ahy mba hitantara ny tany Nosy-Lava. Ataoko fa fotoana lany maina sy toerana very fotsiny eto amin'ny gazety ny fitantarana indray an'izany. Sady niserana fotsiny izahay no tany ka tsy azo lazaina hoe : natao sesitany marina koa. Tsy mendrika izany voninahitra izany aho. :
Matoa anefa aho nanaiky hamoaka ity lahatsoratra ity dia nisy antony lehibe hafa ao : :
1. Tsy fanenjehana ny Eglizy akory no nampisamboran-dry zareo ny tenako Pretra katolika. Tsy ny Eglizy akory no nasiany fa ny tenako izay noheveriny fa "mpanao politika namoky ny Tanora hitokona". Vavolombelona anefa Andriamanitra sy ny mpianatra nitokona fa tsy izany velively aho.
2. Mba hitandroana ny Firaisam-pirenena sy hitahirizana an'i Madagasikara ho iray tsy mivaky, dia isan'ny mangataka aho mba tsy hasiana lolom-po na valifaty ireny raharaha nitranga teto Antananarivo ireny.
3. Aoka anefa hazava tsara ny hevitra ambarako. Raha ny nitifirana ny ankizy sy ny tanora tsy nanam-piadiana tamin'ny 13 Mey, dia raharaha tsy maintsy hampakarina fitsarana hahitana izay tena diso. Nefa aoka hatao amim-po tony dia tony izany, hatao ara-dalàna. Ary ny tenako dia hiaro an'izay voampanga, indrindra raha sanatria ka itadiavana valifaty izy ireo. Ny antony dia ny mba hitandroana ny Firaisam-pirenena sy mba hifankatiavantsika samy Malagasy, ka hahaizantsika mifamela heloka.
4. Ny tenako tany Nosy-Lava dia nihaona sy niresaka tamin'izy 13 mianaka "assignés à résidence fixe" any noho ny raharaha Resampa ; samy sesitany ve tsy hiresaka ?
Nahatsapa ny fahoriam-panahy nahazo azy rehetra aho : tsy mahare vaovao amin'ny havany, tsy mahazo taratasy, tsy misy mpamangy. Tsy izy ireo mihitsy, hono, no nangataka ny hafindra any avy tao Arivonimamo ; nangatahiny aho hilaza izany.
Salama vatana izy ireo ary mahay mifankahery amin'ny fahoriana. Ny hany angatahiny dia tsy hoe famindram-po na fitserana, fa fahamarinana ; noho izany mangataka izy mba hampakarina fitsarana ny raharaha Resampa.
5. Ary dia miombon-kevitra tanteraka amin'izay rehetra mangataka ny hanafoanana ny ordonnance n° 60-063 momba ny assignation à résidence fixe ny tenako. Faran'izay loza iny didy hitsivolana na ordonnace iny. Izahay nalefa tany dia tsy nanaovana famotorana, tsy navela hiteny, tsy navela hiantso mpisolovava fa avy hatrany dia nomelohina ho sesitany satria, hono, voaporofo (convaincu) fa nanao zavatra nanakorontanam-panjakana sy nitady hanongana ny governemanta. Aiza anefa ny porofo ? .
Raha tsy nisy ireo tanora 380 niaraka taminay tany, ary raha tsy nihetsika Antananarivo iray vohitra, dia ho mbola tany Nosy-lava ny tenanay olon-dehibe folo mianaka, tsy nanam-piaro, tsy azon'ny avôkà harovana satria tsy nampandalovina ny fitsarana akory ny fisamborana anay. Tena lalàna tsy rariny mihitsy iny ordonnance n°60-063 iny. Na ianao tsy maninon-tsy maninona io aza dia azo atao sesitany noho iny ordonnace iny, raha vao soniavin'ny minisitry ny Atitany ilay taratasy... Ny anay dia sonia natao tamin'ny stencil an-jatony maro, ka dia nozaraina taminay. Mahatsiravina izany satria potipotika mihitsy ny zon'olombelona.
6- Farany, amin'ny maha-Pretra ahy, dia tsy mitana alahelo na amin'iza na amin'iza aho, na dia amin'ireo nampisambotra ahy aza. Avelako Andriamanitra hitsara azy ireo, ary ivavahako Andriamanitra mba hamindra fo aminy. Fahadalana ve ny ahy ? Tsia, satria izany fifamelana izany no antoky ny Fifankatiavantsika samy Malagasy.
P. Rémi RALIBERA :
LAHATSORATRA FAHADIMY
FANASINA Alakamisy 25 mey 1972, Laharana 764.
NALEFA SESITANY.
Zoma 12 mey 1972.
Nakambana tao amin'ny Amphi Q1 daholo ny sevice d'ordre sy ny conseil permanent rehetra. Nilaza tamin'ny solontenan'ny mpianatra ireo olona avy amin'ny Force de l'ordre fa hanao perquisition ao amin'ny toeram-pivoriana, sao dia misy hifandraisan'ny zavatra nataon'ny mpianatra amin'ny "Raharaha Resampa". Nasaina nivoaka tsirairay ny mpianatra fa tsy nety. .
Tamin'ny 12 alina latsaka dia niditra ny FRS. Nampangina ny tao an-trano ny mpianatra iray, kanefa dia hoy ny lehiben'ny FRS iray hoe : "Commencez par celui là !" Voakapoka io mpianatra niteny io. Nisy mpianatra faharoa koa saika hiaro ilay voalohany, kanefa dia voakapoka koa ary navoaka tany ivelany izy roalahy. .
Nikorontana ny tao an-trano. Nandositra tery aloha tery daholo. Namahana ny basiny ny FRS ary efa vonona ny hitifitra ireo mpianatra nitangorona tery aloha. Soa ihany fa niditra indrindra ireo Commissaires sy Inspecteurs en civil tamin'izay fotoana izay ary ireo no nampitony sy nampipetraka ny mpianatra. Dia nanomboka nanisa anay izy aloha, dia naka ny état civil, dossiers sy ny taratasy rehetra. .
Nasaina nivoaka tsifolofolo izahay ary nampidirina tany anaty fiarakodia amin'izay.
Asabotsy 13 mey 1972.
Efa tamin'ny dimy ora maraina vao niala teny Ankatso izahay satria mbola nifampiandry tao am-bavahady daholo. Namakivaky ny tanàna ny convoi. Velon-kira daholo izahay : "O ! I ! O ! voasambotra izahay ! ». Efa niankandrefana izahay vao nahafantatra fa ho any Arivonimamo. .
Tao amin'ny Camp-n'ny Gendarmes izahay no napetraka aloha, izay indray vao nentina tany amin'ny aéroport. Tao izahay no nasaina nanisy sonia taratasy izay milaza fa "manaiky izahay fa mikasa hanongam-panjakana". .
Tamin'ny 11h30 izahay no niainga : avion fahefatra io. 1 ora tao Antsohihy : tao no nisakafo : mofo sy sardines. Sendra nisy tompon-tany nanome ireo. .
DC-3 no nitondra nankany Analalava : camions-n'ny gendarmes no nitatitra nankeny amin'ny plage : olona marobe no nitangorona nijery anay teo : ary teo no nisy nanome mofo sy rano ho anay. .
Ny vedette dia efa nanomboka nitatitra nankery Nosy-Lava : ora 1.30 eo ho eo vao tonga eny. .
Tafandry tao Analalava izahay. Sakafo nokarakarain'ireo gadra tao Analalava no sakafonay iny alina iny : niampy sardines sy limonade avy any amin-dry mompera sy masera, izay mbola nanome akanjo koa. .
Alahady 14 mey 1972.
Niala tao Analalava ny 3ème voyage tamin'io andro io, tokony ho tamin'ny 10 ora 30. .
Raha vao nahatazana ny moron-dranon'i Nosy-Lava ny mpianatra dia nihorakoraka daholo, sady nahatazana ireo mpianatra nitsena koa. Ny sasany tsy andriny izay hijanonan'ny vedette dia efa nitsambikina nilomano tanaty ranomasina sahady. .
Nanatona ny tranon'ny Directeur izahay, ary efa tao daholo ireo mpiasam- panjakana tompon'andraikitra. Noraisina indray ny état civil-n'ireo vao tonga. .
Tamin'ny 5 ora hariva vao nomena sakafo ireo vao tonga : vary masisobe sady maintimainty izany. Izay no fahakiviana voalohany indrindra hita sy tsapa tao Nosy-Lava. Betsaka no tsy nihinana fa nionona tamin'ny voasary sy hena am-bifotsy fotsiny. .
Nony hariva ny andro dia nanao karazana fiaretan-tory ny mpianatra : nihirahira, nandihy, nilalao niaraka. .
Tamin'ny 6.30, nisy olona tonga haka ny zazavavy hatory amin'izay, satria tsy nekena ny fangatahanay hoe : hiaraka ka ny zazalahy mpitokona no hiaro ireto anabaviny. Gadra lahy daholo mantsy no tao Nosy-Lava hatramin'izay. Nandeha tsy tamin'ny safidim-pony ny zazavavy natory. .
Alatsinainy 15 mey 1972.
Mbola misy tonga ihany : isan'ireo tonga farany Willy sy ny Comité de grève. Nivory daholo izahay handinika sy hanapa-kevitra ; saika hosarahina tsy hahazo hifampiresaka mantsy ny zazavavy sy ny zazalahy, ary koa hanao fanoherana ny amin'ny sakafo : nisy nanapa-kevitra hanao grève de la faim mihitsy aza raha mbola mitohy izao.
Natsangana ny comité provisoire handinika ny "organisation intérieure" (fandaminana anaty). .
Tonga ny Gardien en Chef niteny fa tsy hosarahina indray izahay. Horakoraka fisaorana no natoan'ny mpianatra sy ireo ray aman-dreny. .
11.30 ora atoandro : namory ny mpianatra ny Directeur sy ny Gardien en Chef fa misy vaovao holazaina aminay. Télégramme avy any Tanà : "embarquez obligatoirement les principaux dirigeants dont Willy pour comparaître devant le Président de la République. Avion décollera à Analalava à 13h40. Nanapa-kevitra ny rehetra fa tsy handeha, sady tsy handefa an'i Willy, sao dia fitaka indray izany. .
Niverina indray ny Gardien en Chef nilaza sy namaky ny télégramme faharoa : 62 indray no halefa voalohany - ny sisa dia mandeha par rotation. Ny dikany, hono, dia hoe : afaka izahay rehetra.
Zavatra tapaky ny mpianatra fa mandeha tsikelikely ary mifampiandry ao Analalava daholo mandrapahatapitry ny mpianatra ao Nosy-Lava. Ao indray vao miaraka miainga ho aty Tanà. .
Re tamin'ny vaovao nolazain'ny radio fa tonga any Ivato tamin'ny 9 ora alina latsaka dimy ny mpianatra roambinifolo solontenan'ny rehetra. Korontana tany Nosy-Lava satria tsy nahafantatra ny antony nandehanan'ireo solontena roambinifolo ireo : sao dia noterena àry ? .
Talata 16 mey 1972.
Tonga tao Analalava : namono omby roa ny tao ary nanomana sakafo ho an'ireo avy any Nosy-Lava. Teo no notaterina nankany Antsohihy ireo izay handeha DC-4. .
Fandraisan'ny mponina tao Antsohihy : Feno ny aéroport. Hita daholo ny karazan' olona mponina tao Antsohihy. Mbola nanome zavatra hohanina sy hosotroina. .
Efa nisy DC-4 roa lasa nialoha. Ny DC-4 roa sisa kosa dia tsy nanaiky ny hiala tao Antsohihy raha tsy manidina eo ambonin'ny aérogare ny avion 6 mitondra ny mpianatra sisa tao Analalava. .
Niainga ny DC-4 tamin'ny 3.30 hariva. Efa afaka an'i Tsaratanàna vao tazanay ireo fiaramanidina 6 nialoha lalana. Tamin'ny 5 ora mahery, ny DC-4 no nipetraka voalohany tao Ivato. .
LAHATSORATRA FAHENINA
Lakroan'i Madagasikara N°1791 page 3 Alahady 26 mey 1972
NY TOE-JAVATRA NITANA NY SAINA TAO ANTANANARIVO
Niara-nirona hiray feo hatrany ny olona teto Iarivo.
Niara-nahita, na farafaharatsiny, niara-nandre ireo zava-niseho teto Antananarivo moa ny mponina, ka tsy nahagaga raha niray hina izy ireo nitaky ny fiverenan'ireo mpianatra natao sesitany tamin'izao raharahan'ny mpianatra izao.
Iray feo izy ireo nanameloka ny herisetra sy nitsipaka izay noheveriny ho rangory fototr'izany. Niaraha-nandre tamin'ny alalan'ny radio ihany koa sy efa navoakanay teto rahateo ny antson'ny mpitondra fivavahana isan-tokony, niray feo tamin'ny vahoaka.
Ary ilay filaharam-be ny Alatsinainy 15 mey nankeny Andafiavaratra, nitaky ny famerenana ireo natao sesitany, ka anisan'ny fototra nahazoana ny fiverenan'ireo sesitany na dia tsy ambara intsony fa lasa fo iray, saina iray ny mpianatra sy ny mpiasa ary ny ray aman-dreny teto Antananarivo.
Indray andro maninjitra no niandrasan'izy ireo ny fiverenan'ireo tany Nosy-Lava : nanomboka ny Alatsinainy 15 mey ka niafara ny talata hariva 16 mey.
An'ora no iandrasana ny fanambaran'ny komitin'ny mpitokona natetika.
Ny asabotsy maraina anefa, dia efa mba hafa kely ny fiandrasana, satria voatsentsin'ny fampandrenesana sy ny fanazavana ary ny famakiana ny vetsovetson'ny poeta eo anoloan'izao toe-javatra lalovan'ny firenena izao.