13 Mai 72 : tsiahy (2)
Nampidirin'i sely1993 | 4 Nov, 2006Adiny iray latsaka kely izay dia kapoka, daka, toto vodibasy, teny mahery, fampihorohorona no nandrivorivo tao anatin'ny amphithéatre nivorianay ! Hipoka ny trano satria nanomana ilay fivoriamben'ny ampitso izahay. Araka ny baiko mahazatra sao tonga ny tampoka tsy maha-lehilahy, dia fanaonay ny fandaminana hoe" ny vehivavy ery aloha ery, fa ny ankizy lahy mpiaro anay dia eny afara, toy ny fiarovana sao.…
Kanjo inona tokoa, vao nipaika ny 00h - 13 mai 1972, dia savoritaka be tao an-trano, kapoka, vono, tabataba… Nibosesika ny FRS nameno trano mba tsy hisy ho afaka mivoaka intsony izay rehetra nivory tao. "Couchez-vous !". Any ambany latabatra izany no re ! Inona no antony ? Fa inona no ratsy natao ? Dia samy nahalala fa voasambotra izahay ! Natao ambony loha ny tanana roa dia niondrika nivoaka araka ny baikon'ny FRS, ho any anaty kamiaon'ny miaramila efa be dia be niandry tao an-tokontany.
"ô ! i ! ô ! …voasambotra izahay !" Mbola reko manakoako foana izany hira izany, natao fanahy iniana mba handrenesan'ny olona ny fandalovanay mandrapahatonga tany Arivonimamo.
Ho aiza ary isika ? Tezitra ilay FRS ka hoy izy hoe : "aza be fanontaniana sao veleziko eo." Andriamanitra ô ! ho aiza ary izahay ! Izay vao tonga saina aho hoe aoka hatanjaka na ho aiza ity na ho aiza ! Hay ho any Nosilava ! Hay tao koa i Dezy (Ranaivosoa Désiré), fa tsy nifankahita izahay mianadahy !
Telonjato mahery no isantsika ! 31 taona aty aoriana, araka ilay fitantaram-baovao tao amin'ny televiziona niarahantsika nahita tamin'ny zoma teo, dia navoakan'ny fitondram-panjakana ankehitriny daholo, hono, ireo gadra hadino tao ! Ho nanao ahoana re no ho fiodin'ny tantara raha tsy nisy ilay fihetseham-bahoka goavana nataon'ny havantsika tany an-toerana ! Ndeha ho tsarovana !
Mino aho fa misy namana be dia be any , niaraka tany Nosilava fa tsy nifankahita isika ! Ndeha ho tsarovana, ndeha ho soratana ho an'ny tantara.
Fahatsiarovana Nosilava-mai 2003.
Ataovy àry fa tsara ny hevitrao. Samy mba hilaza ny kely tadidy ireo sisa tavela, satria efa ela ihany izay. Io tantara io dia efa navalona koa, ka mila hery ny hamoaka ny efa mipirina. Sento sisa ka tsy hamendrofendro, fa raha vonona ianao sy ny sasany, dia mbola mety hiverina kely ihany ny fahatsiarovana. Mba tantara ho any faramandimby... Ohatra mananagana "site" na manokatra "e-mail" natokana ho an'izany ! Asa anefa fa ianao no mahafantatra.
Ny nahatonga ny Fihetsehana, ny fivoriana isan-karazany talohan'ny Mai, ny teny Ankatso. Dia mbola misy miverina kely ato an-tsaiko ny anaran'ireo namana. Saingy asa hatao mitam-batra vao ho tafavoaka.
Asa koa raha tadidinao, fa tokony ho folo minitra tao aorinan'ny nidiran'ireto mpitam-basy, dia nisy iray tamintsika nanangana ny tanany roa sady lasa tery aloha ka nanoratra teo amin' ny tableau "Le sourire est de rigueur…". Tsiky marikivy no nivoaka satria ny ankama-roantsika (izaho dia anisany) dia mbola tora-kovitra...
Mbola tadidiko kely koa ny zavatra nitranga tao Arivonimamo (Gendarmes, Frs) talohan'ny niaingana.
Ary ilay sambo kely nivezivezy (Analalava-Nosilava) ! mavesatra satria nampidirina tao koa na vary, na botofotsy, ka natahorana ny hilentika ka tsy sahy mihetsika, ny "requins" dia hita maso.
Dia sambany koa nitaingina "avion", ka rehefa mandray "avion" aho taty aoriana, ary na dia @ izao fotoana izao aza, dia tratran'ny "pincement au coeur" kely foana.
Hagagana koa nony tonga teo Nosilava. Nosy tsara tokoa, saingy tsy fitsangantsanganana moa ka tsy nisy fifaliana fa ny maso no tena niasa.
Nisy gadra politika koa tao ka tery ampita foana (tokony ho 100m eo eo), misy teo @ 8 teo angamba, ka hatramin'izao dia tsy mba fantatro, satria tsy nahazo nanatona antsika ry zareo. Teny @ "plage" no natory nandritra ny dimy andro ka ny sakafo dia sakafo mitovy tamin'ireo gadra ka tsy hay ho tantaraina.
Nisy tamintsika mba nitsidika ny "cellules"-n'ireo gadra, loza be tokoa.
Dia ny Atalata nisy "avion" nandatsaka taratasy ka hazakazaka be, satria nianjera tany anaty ranomasina ilay izy. Teny frantsay "Vous êtes libres, on vient vous chercher"...
Ary ny maro hafa tsy hay ho tantaraina. Rehefa mba miresaka an'io fotoana "sesitany" io ny tena, dia heverin'ny sasany ho mamorona, ka ny niafarany dia "naleo nangina".…
Le 13 Mai 2003
13 mai 1972
13 mai 1972 ! 31 taona lasa izay !
Aman' arivony maro ny tanora nitaky fahafahana nivory manoloana ny Lapan' ny tanànan' Antananarivo tamin' izany.
Hira no fiadiana nentin'izy ireo :
" Polisy ô ! Avohay ny namanay ! "
Tanora tena nilamina . Sady tsy nihevitra velively fa hisy sady ho maro amin'izy ireo no ho lavo eo androany.
Tifitra vary raraka no nasetrin' ny FRS ireo zana-bahoaka ireo.
Grenades mahery vaika koa.
Lavo ny teo anilanao !
Handositra ianao sa hanavotra azy !
Niverin-dalana ny sasany efa nandositra mba hamonjy ireo izay naratra ka lavo !
Tsy hay na hitomany ianao na ho romotry ny hatezerana ! Ny fihetsikao rehetra dia toa mandeha ho azy fa tsy baikoin' ny ati-doha intsony . Sahala amin' ny nofy ratsy !
Misy feon'olona tsy fantatrao milaza hoe :
" Raiso ao amin' ny heliny !"
"Raiso ao amin' ny tongony !"
"Batao mora !"
"Haingana ! "
"Sakano iny automobile iny ! "
"Ento any Befelatanana haingana Tompoko !"
Misy feon' olona tsy fantatrao koa milaza hoe :
"Ento amin'ny pharmacie akaiky ity "
Mihiakan'ny tomany ny zazavavy.
Toa tsy te hino ny zavatra mitranga anoloan' masony ny mpandalo.
Tao amin' ny Pharmacie de l' Océan Indien, nitondrana ny naratra sasany, dia hipoka olona : tao ny naratra, tao ny nitsabo, tao koa ny nandositra ny tiditra vary raraka nataon' ny FRS .
Ilay Ramatoa nitàna ny pharmacie dia tsy menatra intsony fa dia nanompa tamin' ny teny tena mamoa fady ny mpitondra tamin' izany.
Nandritra ny sabotsy 13 mai tontolo andro ka nitohy ny alina ny tifitra nataon' ny FRS .
Tsy hay marina izay isan' ny maty sy ny isan' ny naratra…
Ps : I Roland zanak' i Ravolomaso dia FRS tamin' izany ! Ny fahafatesan' izy io no isan' ny fanevan' ireo mpomba an' i Sefo Deba amin' izao andro izao !
Tsy fantatra mihitsy izay misy an'ialahy
Ny toerana moa afenina anay
Na Arivonimamo, na ao Nosilava
Tsy azoko veroka, tsy hita mazava
Nefa aoka aho leitsy hanoratra ihany
Sao misy fotoana any aoriana any
Hihaona indray
Dia izaho sy ialahy
Na mbola ho ela na ho haingana izany.
Nanaitra tokoa ny naharenesako ny antso
Fa hoe nosamborina ny teny Ankatso
Ialahy no avy hatrany tsaroana ao an-tsaina
Tsy natoriako halina, mandramaraina.
Ny vary io izao ; nohafanaina intelo
Fa mafaika ihany noho ny alahelo
Tsy maintsy ao anefa ny atao hoe tsy marina
Izany tsy hanakana antsika tsy hiarina
Ny fanilon'ialahy, leitsy, aza avela ho faty
F'io no fanantenana mandrisika anaty
Raha misy hakiviana mitady hisisika
Aza avela hibahana, tano ny risika
Satria ny maharitra ihany, hono, leitsy
Sy mijoro hatrany no hivoaka ho mpandresy…
Saika hadinoko an'ialahy ny nitantara ny omaly :
Aina maro no nafoy, ka voaly mainty no nasaly
Voalimaintin'ny fisaonana…
Fa rantsana folo no hany fiadiana
Mba teny aminay
Nefa poa-basy natao fiantsiana
No setrin'izay
Vatana maro no indreo mihosin-dra
Mafy any izany fa tsy hitan'ialahy !…
Maty ny antsika
Ny tanorantsika…
Omaly asabotsy àry izay no niseho
Ny marainan'ny nangalany anareo
Fa ny hariva tsy hita isaina
Ny ray aman-dreny tomanin-taraina
Mijery ny nofon'ny zanany miampatra
Dona-tsetrok'ireo fiara maro voadotra
No nandoto ny lanitra, nipololotra
Omaly asabotsy àry izay no niseho
Ny harivan'ny nitondrany anareo…
Ny anio indray kosa dia tsy fantatra loatra
Na tsy hamely intsony izy, na koa hitroatra
Ho any am-piangonana aho aloha izao
Hivavaka, hangataka ary koa hitalaho
Ho an'ialahy sy ny naman'ialahy
Hivavaka koa ho an'ny mpanao lalàna
Sao mba hisy vokany izay famotorana
Ary,… enga anie hisy ny famotsorana !
Ary aza matahotra fa izahay
Tsy hamela anareo any mandrakizay
Hitohy ny tolona
Ambarapijoron'ny zon'ny olona
Ny zon'ialahy sy ny naman'ialahy
Izay aloha no azoko hotantaraina
Fa ampitso indray… raha toa velona aina !…