TAO AORIAN'NY NAHAFATY AN'I DADA.
Nampidirin'i sely1993 | 4 Nov, 2006Alatsinainy 4 septambra. Ilay feon-telefonina lavareny no nanaitra ahy. Nitady ny fandrehetan-jiro tsy satry ny tanako ary nanapiaka tsy nisy fieritreretana. Nitopy teny amin'ny famataranandro ny masoko : amin'ny roa ora sy sasany mahery dimy.
Tonga dia azoko veroka fa tsy toy ny isan'andro ity antso ity. Na maro amin'ireo namako aza no mpirevy tsy matory alina dia hinoako fa tsy hisy amin'izy ireo no sahy hiantso ahy amin'izao ora izao.
Madagasikara ? Sivy ao anatin'ny folo ny vintana mety hahamarin'izany.
Jàha, maty i Papa fa tongava…
Terminal 2A, Porte 53. Teny an-tseranana teny Roissy aho ny afakampitso marainan'iny. Vitsy ny mpadeha ary vazaha ny ankamaroany, mpizaha tany angamba. Teo amin'ilay lalantsara miazo ny fidiran'ny fiaramanidina, Ramatoa lehibe tokony eo amin'ny enim-polo taona teo ho eo no teo anoloako. Topi-maso dia tsiky kely amin'ny maha-samy Malagasy. Ny fanontaniana voalohany napetrany dia ny hoe :
zanak'iza ianao ?
Zanak'iza ? Fanontaniana tokana saingy niverina tao an-tsaiko tamin'izay fotoana izay ireo sanda maro mamatotra ny fiainan'ny Malagasy, sanda noheveriko efa adino tamin'ny fotoana ela nandaozako ny Nosy. Raha maso tsy miangatra dia farafaharatsiny ny taona azo omena ahy dia toy ny an'i Jesosy Kristy tamin'ny fotoana nanamelohana azy, nefa ny zavatra manitikitika ny sainy voalohany mikasika ahy dia ny anaran'ny raiko. Zanak'iza ?
Tamin'izay fotoana izay indrindra no nanomezako ny tapa-kila fiondranana an'ilay hôtesy teo ambaravaran'ny raopilany. Feo miangaly sy tsiky mahalala-fomba no nitenenany ilay teny mahazatra hoe : « Bonjour et bienvenue…. »
Azoko antoka fa efa im-polo kely izy no niteny izany, ary anisan'ny asany ilay izy, fa raha mba fantany mantsy fa ny faniriko dia ny ho tongasoa… indrindra fa ny manomboka amin'ny adin'ny folo aorian'izao.
Tongasoa…
Tongasoa any an-tanindrazana. Tongasoa rehefa avy nivahiny dimy ambin'ny folo taona garagidina taty am-pita. Tongasoa mba tsy ho vahiny hiatrika ny dimy ambin'ny folo andro sy alina hikarakarana ny rehetra. Tongasoa…
Tsiky tsiravina aho, nihidy vazana nieritreritra izay mety ho tohiny. Ny naha-velom-panantenana ahy, tao anaty raopilany, dia sipa manja be no teo akaikiko.
Azafady, hoy izy, K48 ny toeranao ? Ny ahy K47 fa noheveriko ho tsisy olona dia nalaiko ny akaikin'ny varavaran-kely.
Tsy maninona, hoy aho, raha tianao dia tsy mampaninona ahy ny ho eo afovoany…
Asa na fanahy iniana na tsy, fa io am-povoany io dia efa ela no tiako, izay angamba ny fahalemeko ? Tamin'izaho mbola nisento tamin'ny politika dia ry zareo « centristes » no mazàna nanintona ahy…
Aleo aloha any izany rehetra izany fa efa hanainga ity ny raopilany. Natsofoko ny fehikibo dia ilay tenin'ilay mpiasa trano portigezy anikeo maraina raha nahita ahy nitarika ilay valizy mikodia no tsaroako : « bon voyazy, Mesé ».