NY HAFATR'ILAY KALESY AFO
Nampidirin'i sely1993 | 4 Nov, 2006Alina tamin'izay, alina toy ny alina hafa rehetra, alina natao hatoriana, hialana sasatra. Tonga ny ora fatoriana ary nandray ny fihiranany i Soa ka nikasa hanomana ny fotoam-pivavahana fanaony isaky ny fotoana toa izao. Tia manankina ny torimasony amin'Andriamanitra hatrany izy ary matoky fa ny anjelin'ny Avo indrindra no hiambina azy mandritra ny alina maizina. Asa anefa fa toa tsy nivonona ny hanomana ny fotoam-pivavahana indray izy. Tsy noraisiny akory ny Baiboly hamakiany ny Tenin'Andriamanitra. Niova fihetsika mihitsy izy tamin'ity indray mitoraka ity. Aiza ve ka hatramin'ny hira fanaony alohan'ny hatoriana avy no niova ! Ankoatra izany dia tsy mba naka toerana manokana hivavahana akory izy fa avy dia nitsilailay teo am-pandriana mitana ny fihiranany. Hira hafa mihitsy no novetsovetsoiny mora teo. Ny hira fanaony hatramin'izay manko, ohatra, dia ny hoe :
"Efa hariva Jesoa tia,
Tomoera aminay,
Ny fanahinay tahio
Fa hatory izahay"
(...)
"Ianao no mitahiry
Ny mialoka Aminao
Voahodidin'ny anjely
Ny mialoka Aminao"
Hira tsy mifanaraka amin'ny tokony hatao alohan'ny hatoriana mihitsy no nataony tamin'ity indray maka ity dia ilay mitondra ny lohateny hoe : "Veloma no apetrako". Hira faha-454 amin'ny fihirana FFPM io, hira vao avy nampianarin'i Maria namany tsy nifankafoy taminy tamin'ny tolakandro.
"Veloma ianao
Ry izao tontolo izao
Izaho tsy tamana aty,
Veloma ianao.
Veloma, fa ao aloha ao
No tany izay honenako,
Ka maika aho mba hankao
Handray ny fitsaharako.
Veloma ianao
Ry izao tontolo izao
Izaho tsy tamana aty
Veloma ianao".
Naverimberin'i Soa tao am-pandriany io hira io mandra-pahatongan'ny torimasony. Rehefa ela no nametsovetsoany toa izany dia resin'ny torimaso izy ka tsy nahatsiaro izay ambonin'ny tany intsony.
Dia nofiny, hono, fa nisy kalesy namirapiratra aok'izany tafiditra tao amin'ny efitrano natoriany. Tsy azony veroka mihitsy ny fomba nidiran'io kalesy io tao. Mbola tsy nahita kalesy toa izany izy hatramin'izay niainany. Toy ny fanjelatry ny masoandro ny fanjelanjelany. Tsy misy anarana hafa azony iantsoana azy afa tsy ny hoe kalesy afo.
Raiki-tahotra i Soa. "Fambara inona ity" ? hoy ny eritreriny. Sady nangovitry ny tahotra izy no tsy nahatanty ny hijery ny famirapiratr'ilay kalesy ny masony ka nandohalika nihohoka tamin'ny tany izy.
Manahoana i Soa ? hoy ilay kalesy. Aza matahotra. Tsy hafa aho fa ny kalesinao ihany.
Vao mainka koa zendana i Soa. Miteny ilay kalesy. Taiza no mbola misy fiara miteny ? Tsy nahahetsika i Soa fa nihararetra fotsiny teo. Mova tsy ireny azon'ny herinaratra ireny.
Manahoana i Soa ? hoy indray ilay kalesy. Aza matahotra. Mitsangàna. Tsy hafa aho fa ny kalesinao.
Manahoana, tompoko, hoy Soa somary kendakenda mila tsy hahaloa-peo.
Aza matahotra, hoy ilay kalesy fanintelony. Izaho no kalesinao. Nirahan'i Zanahary aho haka anao izao dieny izao tsy misy hataka andro.
Kalesiko hoe ? Mba miangatra kosa lahy ianao ! Fomba ahoana no hahakalesiko anao ?
Mbola tsy fantatrao izany ankehitriny, hoy ilay kalesy, ho avy ny fotoana hahafantaranao ny aminao rehetra toy ny mijery fitaratra. Fa izao e : nirahin'i Zanahary aho haka anao ary nofeperany tsy hiverina any Aminy raha tsy mitondra anao miaraka amiko.
Haka ahy ahoana ?
Haka anao araka ny vetsovetso nataonao talohan'ny natorianao.
Vetsovetso ahoana ? hoy Soa somary lasa saina kely.
Talohan'ny natorianao ange ianao ka efa nanao veloma izao tontolo izao e ! Naverimberinao impolo kely ny hoe : "izaho tsy tamana aty, veloma ianao". Henoy ange ny vetsovetsonao e :
"Veloma ianao
Ry izao tontolo izao
Izaho tsy tamana aty,
Veloma ianao.
Veloma, fa ao aloha ao
No tany izay honenako,
Ka maika aho mba hankao
Handray ny fitsaharako.
Veloma ianao
Ry izao tontolo izao
Izaho tsy tamana aty
Veloma ianao".
Araka izany hira izany dia efa maika handray ny fitsaharana ianao. Ren'i Zanahary ny hetahetanao ka nirahiny aho haka anao. Moa tsy faly ve ianao nahazo valim-bavaka avy hatrany ?
Ka mba hira novetsovetsoiko teo fotsiny anie iny fa tsy vavaka akory e ! Mbola tsy vonona ny handeha izany mihitsy aho. Mbola be ny adidy miandry ahy.
Na vetsovetso no ilazanao azy na vavaka, teny niloaka ny vavanao izany ka ren'i Zanahary. Zaranao aza nahazo valim-bavaka avy hatrany. Tsy niandry ny andro haraina akory.
Tokoa raha mba vonona ny handeha izany aho ! Hira vao nampiarin'i Maria ahy tamin'ny tolakandro io ary naverimberiko mba ho tadidy tsara.
Nanao vava azon-Janahary ianao. Ny mamerin-teny no sarotra.
Ka tsy vonona ny handeha izany aho e ! 'Ndeha re miverina any amin'izay naniraka anao e ! Dia lazao Azy araka izany fa mba hirahira nataoko fotsiny iny fa tsy faniriana na vavaka na vetsovetsom-po.
Nifanjinja teo ilay kalesy afo sy i Soa. Ilay kalesy moa anton'asany sy antom-pisiany mihitsy izao anton-diany izao. I Soa kosa nidrikina tsy nanaiky handeha mihitsy. Rehefa ela ny ela dia nilefitra ihany ilay kalesy afo. Alohan'ny hisarahany anefa dia nanafatrafatra fatratra an'i Soa izy hoe : "aza mba manao vava azon-Janahary izany intsony amin'ny sisa. Avo fitoetra Andriamanitra fa ambany fijery ary manara-maso ny zava-mitranga ety ambonin'ny tany ambany masoandro. Tsarovy fa resaka ifanaovana Aminy ny hira ao amin'ny fihirana ary aoka hifanaraka hatrany ny teny miloaka ny vava sy izay ao am-po".
Toy ny indray nielatra dia tsy hitan'i Soa intsony ilay kalesy afo. Ny hafatra napetrany kosa dia tsy nisy nidila fa notehiriziny tao am-pony. Nanomboka hatreo dia nitandrina fatratra i Soa isaky ny hiteny sao dia manao vava azon-Janahary. Masinandro tamin'io koa dia nampahafantariny ny tapaka sy namana ary ny mpiara-belona nifanerasera taminy ny anjara toeran'ny hira ao amin'ny fihirana eo amin'ny fifaneraserana amin'Andriamanitra.
Any izay ilay Kalesy afo !