TAO AORIAN'NY NAHAFATY AN'I DADA.

Nampidirin'i sely1993 | 4 Nov, 2006

Alatsinainy 4 septambra. Ilay feon-telefonina lavareny no nanaitra ahy. Nitady ny fandrehetan-jiro tsy satry ny tanako ary nanapiaka tsy nisy fieritreretana. Nitopy teny amin'ny famataranandro ny masoko : amin'ny roa ora sy sasany mahery dimy.

Tonga dia azoko veroka fa tsy toy ny isan'andro ity antso ity. Na maro amin'ireo namako aza no mpirevy tsy matory alina dia hinoako fa tsy hisy amin'izy ireo no sahy hiantso ahy amin'izao ora izao.

Madagasikara ? Sivy ao anatin'ny folo ny vintana mety hahamarin'izany.

-  Jàha, maty i Papa fa tongava…

Terminal 2A, Porte 53. Teny an-tseranana teny Roissy aho ny afakampitso marainan'iny. Vitsy ny mpadeha ary vazaha ny ankamaroany, mpizaha tany angamba. Teo amin'ilay lalantsara miazo ny fidiran'ny fiaramanidina, Ramatoa lehibe tokony eo amin'ny enim-polo taona teo ho eo no teo anoloako. Topi-maso dia tsiky kely amin'ny maha-samy Malagasy. Ny fanontaniana voalohany napetrany dia ny hoe :

-  zanak'iza ianao ?

Zanak'iza ? Fanontaniana tokana saingy niverina tao an-tsaiko tamin'izay fotoana izay ireo sanda maro mamatotra ny fiainan'ny Malagasy, sanda noheveriko efa adino tamin'ny fotoana ela nandaozako ny Nosy. Raha maso tsy miangatra dia farafaharatsiny ny taona azo omena ahy dia toy ny an'i Jesosy Kristy tamin'ny fotoana nanamelohana azy, nefa ny zavatra manitikitika ny sainy voalohany mikasika ahy dia ny anaran'ny raiko. Zanak'iza ?

Tamin'izay fotoana izay indrindra no nanomezako ny tapa-kila fiondranana an'ilay hôtesy teo ambaravaran'ny raopilany. Feo miangaly sy tsiky mahalala-fomba no nitenenany ilay teny mahazatra hoe : « Bonjour et bienvenue…. »

Azoko antoka fa efa im-polo kely izy no niteny izany, ary anisan'ny asany ilay izy, fa raha mba fantany mantsy fa ny faniriko dia ny ho tongasoa… indrindra fa ny manomboka amin'ny adin'ny folo aorian'izao.

Tongasoa…

Tongasoa any an-tanindrazana. Tongasoa rehefa avy nivahiny dimy ambin'ny folo taona garagidina taty am-pita. Tongasoa mba tsy ho vahiny hiatrika ny dimy ambin'ny folo andro sy alina hikarakarana ny rehetra. Tongasoa…

Tsiky tsiravina aho, nihidy vazana nieritreritra izay mety ho tohiny. Ny naha-velom-panantenana ahy, tao anaty raopilany, dia sipa manja be no teo akaikiko.

-  Azafady, hoy izy, K48 ny toeranao ? Ny ahy K47 fa noheveriko ho tsisy olona dia nalaiko ny akaikin'ny varavaran-kely.

-  Tsy maninona, hoy aho, raha tianao dia tsy mampaninona ahy ny ho eo afovoany…

Asa na fanahy iniana na tsy, fa io am-povoany io dia efa ela no tiako, izay angamba ny fahalemeko ? Tamin'izaho mbola nisento tamin'ny politika dia ry zareo « centristes » no mazàna nanintona ahy…

Aleo aloha any izany rehetra izany fa efa hanainga ity ny raopilany. Natsofoko ny fehikibo dia ilay tenin'ilay mpiasa trano portigezy anikeo maraina raha nahita ahy nitarika ilay valizy mikodia no tsaroako : « bon voyazy, Mesé ».

NY HAFATR'ILAY KALESY AFO

Nampidirin'i sely1993 | 4 Nov, 2006

Alina tamin'izay, alina toy ny alina hafa rehetra, alina natao hatoriana, hialana sasatra. Tonga ny ora fatoriana ary nandray ny fihiranany i Soa ka nikasa hanomana ny fotoam-pivavahana fanaony isaky ny fotoana toa izao. Tia manankina ny torimasony amin'Andriamanitra hatrany izy ary matoky fa ny anjelin'ny Avo indrindra no hiambina azy mandritra ny alina maizina. Asa anefa fa toa tsy nivonona ny hanomana ny fotoam-pivavahana indray izy. Tsy noraisiny akory ny Baiboly hamakiany ny Tenin'Andriamanitra. Niova fihetsika mihitsy izy tamin'ity indray mitoraka ity. Aiza ve ka hatramin'ny hira fanaony alohan'ny hatoriana avy no niova ! Ankoatra izany dia tsy mba naka toerana manokana hivavahana akory izy fa avy dia nitsilailay teo am-pandriana mitana ny fihiranany. Hira hafa mihitsy no novetsovetsoiny mora teo. Ny hira fanaony hatramin'izay manko, ohatra, dia ny hoe :

"Efa hariva Jesoa tia,
Tomoera aminay,
Ny fanahinay tahio
Fa hatory izahay"
(...)

"Ianao no mitahiry
Ny mialoka Aminao
Voahodidin'ny anjely
Ny mialoka Aminao"

Hira tsy mifanaraka amin'ny tokony hatao alohan'ny hatoriana mihitsy no nataony tamin'ity indray maka ity dia ilay mitondra ny lohateny hoe : "Veloma no apetrako". Hira faha-454 amin'ny fihirana FFPM io, hira vao avy nampianarin'i Maria namany tsy nifankafoy taminy tamin'ny tolakandro.

"Veloma ianao
Ry izao tontolo izao
Izaho tsy tamana aty,
Veloma ianao.

Veloma, fa ao aloha ao
No tany izay honenako,
Ka maika aho mba hankao
Handray ny fitsaharako.

Veloma ianao
Ry izao tontolo izao
Izaho tsy tamana aty
Veloma ianao".

Naverimberin'i Soa tao am-pandriany io hira io mandra-pahatongan'ny torimasony. Rehefa ela no nametsovetsoany toa izany dia resin'ny torimaso izy ka tsy nahatsiaro izay ambonin'ny tany intsony.

Dia nofiny, hono, fa nisy kalesy namirapiratra aok'izany tafiditra tao amin'ny efitrano natoriany. Tsy azony veroka mihitsy ny fomba nidiran'io kalesy io tao. Mbola tsy nahita kalesy toa izany izy hatramin'izay niainany. Toy ny fanjelatry ny masoandro ny fanjelanjelany. Tsy misy anarana hafa azony iantsoana azy afa tsy ny hoe kalesy afo.

Raiki-tahotra i Soa. "Fambara inona ity" ? hoy ny eritreriny. Sady nangovitry ny tahotra izy no tsy nahatanty ny hijery ny famirapiratr'ilay kalesy ny masony ka nandohalika nihohoka tamin'ny tany izy.

-  Manahoana i Soa ? hoy ilay kalesy. Aza matahotra. Tsy hafa aho fa ny kalesinao ihany.

Vao mainka koa zendana i Soa. Miteny ilay kalesy. Taiza no mbola misy fiara miteny ? Tsy nahahetsika i Soa fa nihararetra fotsiny teo. Mova tsy ireny azon'ny herinaratra ireny.

-  Manahoana i Soa ? hoy indray ilay kalesy. Aza matahotra. Mitsangàna. Tsy hafa aho fa ny kalesinao.
-  Manahoana, tompoko, hoy Soa somary kendakenda mila tsy hahaloa-peo.
-  Aza matahotra, hoy ilay kalesy fanintelony. Izaho no kalesinao. Nirahan'i Zanahary aho haka anao izao dieny izao tsy misy hataka andro.
-  Kalesiko hoe ? Mba miangatra kosa lahy ianao ! Fomba ahoana no hahakalesiko anao ?
-  Mbola tsy fantatrao izany ankehitriny, hoy ilay kalesy, ho avy ny fotoana hahafantaranao ny aminao rehetra toy ny mijery fitaratra. Fa izao e : nirahin'i Zanahary aho haka anao ary nofeperany tsy hiverina any Aminy raha tsy mitondra anao miaraka amiko.
-  Haka ahy ahoana ?
-  Haka anao araka ny vetsovetso nataonao talohan'ny natorianao.
-  Vetsovetso ahoana ? hoy Soa somary lasa saina kely.
-  Talohan'ny natorianao ange ianao ka efa nanao veloma izao tontolo izao e ! Naverimberinao impolo kely ny hoe : "izaho tsy tamana aty, veloma ianao". Henoy ange ny vetsovetsonao e :

"Veloma ianao
Ry izao tontolo izao
Izaho tsy tamana aty,
Veloma ianao.

Veloma, fa ao aloha ao
No tany izay honenako,
Ka maika aho mba hankao
Handray ny fitsaharako.

Veloma ianao
Ry izao tontolo izao
Izaho tsy tamana aty
Veloma ianao".

-  Araka izany hira izany dia efa maika handray ny fitsaharana ianao. Ren'i Zanahary ny hetahetanao ka nirahiny aho haka anao. Moa tsy faly ve ianao nahazo valim-bavaka avy hatrany ?
-  Ka mba hira novetsovetsoiko teo fotsiny anie iny fa tsy vavaka akory e ! Mbola tsy vonona ny handeha izany mihitsy aho. Mbola be ny adidy miandry ahy.
-  Na vetsovetso no ilazanao azy na vavaka, teny niloaka ny vavanao izany ka ren'i Zanahary. Zaranao aza nahazo valim-bavaka avy hatrany. Tsy niandry ny andro haraina akory.
-  Tokoa raha mba vonona ny handeha izany aho ! Hira vao nampiarin'i Maria ahy tamin'ny tolakandro io ary naverimberiko mba ho tadidy tsara.
-  Nanao vava azon-Janahary ianao. Ny mamerin-teny no sarotra.
-  Ka tsy vonona ny handeha izany aho e ! 'Ndeha re miverina any amin'izay naniraka anao e ! Dia lazao Azy araka izany fa mba hirahira nataoko fotsiny iny fa tsy faniriana na vavaka na vetsovetsom-po.

Nifanjinja teo ilay kalesy afo sy i Soa. Ilay kalesy moa anton'asany sy antom-pisiany mihitsy izao anton-diany izao. I Soa kosa nidrikina tsy nanaiky handeha mihitsy. Rehefa ela ny ela dia nilefitra ihany ilay kalesy afo. Alohan'ny hisarahany anefa dia nanafatrafatra fatratra an'i Soa izy hoe : "aza mba manao vava azon-Janahary izany intsony amin'ny sisa. Avo fitoetra Andriamanitra fa ambany fijery ary manara-maso ny zava-mitranga ety ambonin'ny tany ambany masoandro. Tsarovy fa resaka ifanaovana Aminy ny hira ao amin'ny fihirana ary aoka hifanaraka hatrany ny teny miloaka ny vava sy izay ao am-po".

Toy ny indray nielatra dia tsy hitan'i Soa intsony ilay kalesy afo. Ny hafatra napetrany kosa dia tsy nisy nidila fa notehiriziny tao am-pony. Nanomboka hatreo dia nitandrina fatratra i Soa isaky ny hiteny sao dia manao vava azon-Janahary. Masinandro tamin'io koa dia nampahafantariny ny tapaka sy namana ary ny mpiara-belona nifanerasera taminy ny anjara toeran'ny hira ao amin'ny fihirana eo amin'ny fifaneraserana amin'Andriamanitra.

Any izay ilay Kalesy afo !

13 Mai 72 : tsiahy (3)

Nampidirin'i sely1993 | 4 Nov, 2006

Tolom-panafahana inona , hoy ianao ? :

Valiny : tolom-panafahana an'i Madagasikara, izay efa nanana ny fiandrianam-pireneny taloha, nefa nozanahan'ny Frantsay, ary dia mody nomeny fahaleovantena t@ taona 60, kanefa dia ny zaza navelany no notendreny hitondra an'i Madagasikara, ary mazava ho azy fa mitohy ny fanjanahana fa @ endrika ankolaka : toe-karena, fampianarana, fiarovana…

Isika ankehitriny izao aza dia mbola mandova ny tarazo rehetra navelan'izany fanjanahana izany (fomba fijery, fisainana…)

Iza no nafahana ? : i Madagasikara sy ny vahoakany ary indrindra ny toe-tsainy izay voazanaka

Iza no mpanafaka ? : ireo rehetra tonga saina t@ izany fotoana izany. Ny nampalahelo fotsiny dia nisy foana ny mpanararaotra (opportuniste) izay nanodina ny tolona ho @ tombontsoany manokana. Dia mbola misy io h@ izao. Fa ny irariana dia mba hieritreritra izy ireny, ary izay rehetra tena tia tanindrazana kosa dia hiroso hatrany, fa tsy maintsy avotana i Madaga-sikara

Tsy fanadino ny Tantara satria ny Firenena tsy manana ary tsy mahafantatra ny Tantarany dia Firenena tsy ho afaka handroso na oviana na oviana.

Teny fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra

Teny fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra ho an'ireo namohy ny ainy tamin'ny tolona nataon'ny vahoaka Malagasy ( nitaky fahafahana, fanongotana ny tsy rariny ,famerenana ny teny Malagasy ...) no entiko hankalazana io daty lehibe eo amin'ny tantaram-pirenena io.

Betsaka tamin'ireo fenitra ireo no nanjavona, nefa dingana iray lehibe no vita raha ny ho avy lavitra no jerena .Betsaka tamin'ireo maty tamin'izany no tsy fantatra anarana (indrindra ireo "zomaka " avy tetsy sy teroa ; soa ihany fa mba nisy tonon-kira nataon-dry Mahaleo ho an'ireo Malagasy ireo, rahefa nihira ry zareo hoe "matimaty foana tamin'ny rotaka "). Misy fahatsiarovana manokana ataoko ho an'Itompokolahy Rasamizanany Georges, izay talehan'ny gazety Andry-Pilier tamin'izany, ary nandany ny fiainany manontolo ho an'ny tolom-bahoaka. Maty tsy nisy voninahitra .

Tsy ho hadino anie ireo olon-tsotra namoy ny ainy ireo !…  

Tsy fanadino ny Tantara

« Tsy fanadinona ny Tantara, satria ny Firenena tsy manana ary tsy mahafantatra ny Tantarany dia Firenena tsy ho afaka handroso na oviana na oviana. »

Ka maninona ny mpitondra no tsy manome hasina izany fahatsiarovana izany ?

Tsy asiany sira akory ilay izy na dia fehezam-boninkazo iray aza tsy napetrany akory !

Marina ny voalazanao, fa toa zary hadino ny mahatsiahy ny tantaram- pirenentsika. Ohatra ity 13 Mai 72 ity. Toa atahorana aza ny fankalazana izany. Ampirisihana anefa ny mpitondra ankehitriny hanao zavatra tena manamarika io vanim-potoana io @ ho avy, fa tsy ho variana mametraka tsangambato hahatsiarovana ny olo-malaza sasany avy any ivelany, tahaka izay hita eo Ampefiloha.

Mba hahatanteraka izany anefa dia ampirisihana koa ny olon-tsotra, ny manam-pahaizana momba ny tantara ary ny mpikaroka rehetra mba hanatevina ny zava-pantatra momba io fihetseham-bahoaka io- ary tsy io ihany fa ny taty aoriana ihany koa- . Ary mety ihany koa raha mba ifantohana ny fikarohana momba ny zava-mitranga ankehitriny (histoire contem-poraine) fa tsy dia hoe ny zavatra lasa foana no andaniana mondron-kery.

Ny lasa lavitra, ny lasa akaiky : ireny rehetra ireny no mitambatra ho tantara fanoitran'ny ankehitriny.

Amin'izao fankalazana ny tsingerin-taonan'ny tolona…

Amin'izao fankalazana ny tsingerin-taonan'ny tolona notaritin'ireo manam-pahaizana Malagasy sy ny mpianatra teto Antananarivo, ka niafara tamin'ny fianjeran'ny fanjakana PSD izao, dia tsy miala tsiny raha mampahatsiahy ny zava-nitranga sy niainako ny tantara.

Rehefa avy nifandrombahan'ireo manamboninahitra ambony isan-tsokajiny ny fahefam-panjakana, ka nifamonoan'izy ireo mihitsy aza, (anisan'ireo namoy ny ainy tamin'izany ady izany moa i Tompokolahy Ratsimandrava Richard), dia niaraha nahita fa i Ratsiraka Didier no tafavoaka nandresy tamin'izany adin'ny begrady izany (Election 30/12/1975).

Tsapa tokoa 31 taona aty aorinan'ny 13 May 1972, fa vao mainka manome vahana ny mpomba ny fampiharana didy jadona eto Madagasikara ny zava-mitranga ankehitriny.

Ny mpanao politika, mpandainga sy mpamita-bahoaka avokoa ny ankamaroany, ka tsy maharesy lahatra vahoaka izay tsy mihaino afa-tsy izay mety hahazoany saosy ( io izao no anisan'ireo voambolana vaovao nipoitra tamin'ny faran'ny taonjato faha 20 teto Madagasikara)

Ireo mpandraharaha tsy mieritreritra afa-tsy ny fampisondrotana ny fari-panan'izy samirery.

Ary ny valalabemandry kosa moa dia miaina anatin'ny haizin'ny fanhantrana tanteraka ny 96% ny Malagasy, ka mihinana am-bolony tsy fidiny ny ankamaroany mba tsy ho faty noana.

Samy manaiky nefa ny maro fa ny fisian'ny fanjakana tan-dalàna matanjaka no vaha olana, saingy miara-miaiky ihany koa ny manan-tsaina fa mitondra mankany amin'ny fahaverezan'ny firenena ny fanaparam-pahefana sy fampiasana izany hiarovana ny tombotsoan'olom-bitsy.

Tanindrazana, Madagasikara, Malagasy

(Atolotro noho ny fitsingerenana faha-31 taonan'ny
fihetsiketseham-bahoaka Volana Mai 1972)

Saika zary lava reny ho'aho ny torinao mahantra
Torimasonao nihanaka teny an'alim-batravatra
Torimasonao voadinitry ny jaly sy ny tsetra
Heniky ny nofy ratsy toa tsy hanana fifetra
Raha ny omaly no ambara
O ! ry Madagasikara.

Saingy mihodina ho'aho ny tany, misosa foana ny fotoana
Indro taitra ankehitriny tamin'ny tory an-taranoana
Izay voatahiry sy voarakitra tao anaty ran'ny olona
Ka nanosika azy hitroatra, ary hiady sy hitolona
Hanao sorona ny tena
Ho fiavotam-pirenena

Dia niely sy nanerana ny Nosy manontolo
Ilay rivo-pahafahana, fikatsahana hanolo
Ilay fiandrianam-pirenena toa nizera sy nikoro
Ainga teraka avy am-pon'ireo tanora tsy mba toro
… Maty iny ny ankiray
Ho maritiora hampiray
Lamba mainty, fahanginana, manamarika ny saona
No nitevika tan-tratran'ireo tovo tafahoana
Fo sy saina tafatambatra, hamakivaky ny tanàna
Hanambara sy hitory, toa hanao teny ierana
Fa ho an'i Madagasikara
Miarin-doha ny tantara…

Kanjo, kanjo… alinalina, alin'ny zoma hariva
Ali-mampihorohoro, toa manambara fa madiva
Manadivana sahady, manadivana sahady
Ny hihodinan'ny tantara, mainka koa hihamafy ny ady
Hisikinan-kerin-tsaina
Ho eny an-tanjona ilaina…

Lehilahy marobe, mirongorongo fiadiana
Tsy mataho-n'inon'inona, na ny ra hikoriana
No nanao fahirano ny efitrano fivoriana
Ka nampiasa herisetra hanerena mba hangina
Tanora maro, lahy sy vavy
Rehareham-pianakavy…

Injao manako moramora, eny an-tsefak'ito vohitra
Tonom-bavaka sy hira, mifanjevo, mitontohitra
« Aza manadino ahy, ry Mpihaino vavaka »
« O ! iza no hanavotra ahy », any an-kitsok'ito lavaka ?…
E ! voasambotra izy ireo
Ka miantsa sy mifeo…

Indreny eny, fiara maro, mamakivaky ny tanàna
Mitondra ireo tanora fo efa reraka sy hana
Hiazo lalana tsy fantatra hitodiana any ho any
Lanaky ny aritory sy efa disaka tomany
Vao mihoitra dia fefena
Na dia ho an'ny Firenena…

Eo ambany tahon-tsaina, tsy misy saina akory miatrika
No mihodim-paribolana ireo zatovo mifanatrika
Dia miredona tsy tana : « Ry tanindrazay malala ! »
Ho mandramaty ny fitiavako, ho anao tsy miala
Fa masina e ! ny Firenena
Ka afoiko e ! ny tena…

Topimaso, farajery avy eny ankoatrahoatra
No nampombaina moramora ny tomany izay nitroatra
Mantsy roso izany dia, fa ho any an-tsesitany
Ndeha hilaozana avokoa ny havan-tiana, ny akany…
Indry ery i Nosilava
Mitanondrika ny tava…
Very toky ny fanahy
Mangenahena sy manahy…

Androtr'iny, asabotsy, herisetra toa niniana
Tifi-basy variraraka no nasetry fitakiana
Zatovo maro miampatrampatra, aina maro sesehena
No nafoy tan-dalambe noho ity firenena
Nihoson-dra ilay toerana
Noho ny habibibiana tsy erana…

Tsy very maina anefa ireny, fa toy ny zezika nafafy
Hampitrebona, haniry, ny faniriana tao anaty
Tsy hitsahatra ny tolona
Mandrapisy zon'ny olona
Fa ho an'i Madagasikara
Miarin-doha ny Tantara !…

13 Mai 72 : tsiahy (2)

Nampidirin'i sely1993 | 4 Nov, 2006

Adiny iray latsaka kely izay dia kapoka, daka, toto vodibasy, teny mahery, fampihorohorona no nandrivorivo tao anatin'ny amphithéatre nivorianay ! Hipoka ny trano satria nanomana ilay fivoriamben'ny ampitso izahay. Araka ny baiko mahazatra sao tonga ny tampoka tsy maha-lehilahy, dia fanaonay ny fandaminana hoe" ny vehivavy ery aloha ery, fa ny ankizy lahy mpiaro anay dia eny afara, toy ny fiarovana sao.…

Kanjo inona tokoa, vao nipaika ny 00h - 13 mai 1972, dia savoritaka be tao an-trano, kapoka, vono, tabataba… Nibosesika ny FRS nameno trano mba tsy hisy ho afaka mivoaka intsony izay rehetra nivory tao. "Couchez-vous !". Any ambany latabatra izany no re ! Inona no antony ? Fa inona no ratsy natao ? Dia samy nahalala fa voasambotra izahay ! Natao ambony loha ny tanana roa dia niondrika nivoaka araka ny baikon'ny FRS, ho any anaty kamiaon'ny miaramila efa be dia be niandry tao an-tokontany.

"ô ! i ! ô ! …voasambotra izahay !" Mbola reko manakoako foana izany hira izany, natao fanahy iniana mba handrenesan'ny olona ny fandalovanay mandrapahatonga tany Arivonimamo.

Ho aiza ary isika ? Tezitra ilay FRS ka hoy izy hoe : "aza be fanontaniana sao veleziko eo." Andriamanitra ô ! ho aiza ary izahay ! Izay vao tonga saina aho hoe aoka hatanjaka na ho aiza ity na ho aiza ! Hay ho any Nosilava ! Hay tao koa i Dezy (Ranaivosoa Désiré), fa tsy nifankahita izahay mianadahy !

Telonjato mahery no isantsika ! 31 taona aty aoriana, araka ilay fitantaram-baovao tao amin'ny televiziona niarahantsika nahita tamin'ny zoma teo, dia navoakan'ny fitondram-panjakana ankehitriny daholo, hono, ireo gadra hadino tao ! Ho nanao ahoana re no ho fiodin'ny tantara raha tsy nisy ilay fihetseham-bahoka goavana nataon'ny havantsika tany an-toerana ! Ndeha ho tsarovana !

Mino aho fa misy namana be dia be any , niaraka tany Nosilava fa tsy nifankahita isika ! Ndeha ho tsarovana, ndeha ho soratana ho an'ny tantara.

Fahatsiarovana Nosilava-mai 2003.

Ataovy àry fa tsara ny hevitrao. Samy mba hilaza ny kely tadidy ireo sisa tavela, satria efa ela ihany izay. Io tantara io dia efa navalona koa, ka mila hery ny hamoaka ny efa mipirina. Sento sisa ka tsy hamendrofendro, fa raha vonona ianao sy ny sasany, dia mbola mety hiverina kely ihany ny fahatsiarovana. Mba tantara ho any faramandimby... Ohatra mananagana "site" na manokatra "e-mail" natokana ho an'izany ! Asa anefa fa ianao no mahafantatra.

Ny nahatonga ny Fihetsehana, ny fivoriana isan-karazany talohan'ny Mai, ny teny Ankatso. Dia mbola misy miverina kely ato an-tsaiko ny anaran'ireo namana. Saingy asa hatao mitam-batra vao ho tafavoaka.

Asa koa raha tadidinao, fa tokony ho folo minitra tao aorinan'ny nidiran'ireto mpitam-basy, dia nisy iray tamintsika nanangana ny tanany roa sady lasa tery aloha ka nanoratra teo amin' ny tableau "Le sourire est de rigueur…". Tsiky marikivy no nivoaka satria ny ankama-roantsika (izaho dia anisany) dia mbola tora-kovitra...

Mbola tadidiko kely koa ny zavatra nitranga tao Arivonimamo (Gendarmes, Frs) talohan'ny niaingana.

Ary ilay sambo kely nivezivezy (Analalava-Nosilava) ! mavesatra satria nampidirina tao koa na vary, na botofotsy, ka natahorana ny hilentika ka tsy sahy mihetsika, ny "requins" dia hita maso.

Dia sambany koa nitaingina "avion", ka rehefa mandray "avion" aho taty aoriana, ary na dia @ izao fotoana izao aza, dia tratran'ny "pincement au coeur" kely foana.

Hagagana koa nony tonga teo Nosilava. Nosy tsara tokoa, saingy tsy fitsangantsanganana moa ka tsy nisy fifaliana fa ny maso no tena niasa.
Nisy gadra politika koa tao ka tery ampita foana (tokony ho 100m eo eo), misy teo @ 8 teo angamba, ka hatramin'izao dia tsy mba fantatro, satria tsy nahazo nanatona antsika ry zareo. Teny @ "plage" no natory nandritra ny dimy andro ka ny sakafo dia sakafo mitovy tamin'ireo gadra ka tsy hay ho tantaraina.

Nisy tamintsika mba nitsidika ny "cellules"-n'ireo gadra, loza be tokoa.

Dia ny Atalata nisy "avion" nandatsaka taratasy ka hazakazaka be, satria nianjera tany anaty ranomasina ilay izy. Teny frantsay "Vous êtes libres, on vient vous chercher"...

Ary ny maro hafa tsy hay ho tantaraina. Rehefa mba miresaka an'io fotoana "sesitany" io ny tena, dia heverin'ny sasany ho mamorona, ka ny niafarany dia "naleo nangina".…

Le 13 Mai 2003

13 mai 1972

13 mai 1972 ! 31 taona lasa izay !

Aman' arivony maro ny tanora nitaky fahafahana nivory manoloana ny Lapan' ny tanànan' Antananarivo tamin' izany.

Hira no fiadiana nentin'izy ireo :
" Polisy ô ! Avohay ny namanay ! "

Tanora tena nilamina . Sady tsy nihevitra velively fa hisy sady ho maro amin'izy ireo no ho lavo eo androany.
Tifitra vary raraka no nasetrin' ny FRS ireo zana-bahoaka ireo.
Grenades mahery vaika koa.
Lavo ny teo anilanao !
Handositra ianao sa hanavotra azy !

Niverin-dalana ny sasany efa nandositra mba hamonjy ireo izay naratra ka lavo !
Tsy hay na hitomany ianao na ho romotry ny hatezerana ! Ny fihetsikao rehetra dia toa mandeha ho azy fa tsy baikoin' ny ati-doha intsony . Sahala amin' ny nofy ratsy !

Misy feon'olona tsy fantatrao milaza hoe :
" Raiso ao amin' ny heliny !"
"Raiso ao amin' ny tongony !"
"Batao mora !"
"Haingana ! "
"Sakano iny automobile iny ! "
"Ento any Befelatanana haingana Tompoko !"

Misy feon' olona tsy fantatrao koa milaza hoe :
"Ento amin'ny pharmacie akaiky ity "

Mihiakan'ny tomany ny zazavavy.
Toa tsy te hino ny zavatra mitranga anoloan' masony ny mpandalo.
Tao amin' ny Pharmacie de l' Océan Indien, nitondrana ny naratra sasany, dia hipoka olona : tao ny naratra, tao ny nitsabo, tao koa ny nandositra ny tiditra vary raraka nataon' ny FRS .

Ilay Ramatoa nitàna ny pharmacie dia tsy menatra intsony fa dia nanompa tamin' ny teny tena mamoa fady ny mpitondra tamin' izany.

Nandritra ny sabotsy 13 mai tontolo andro ka nitohy ny alina ny tifitra nataon' ny FRS .

Tsy hay marina izay isan' ny maty sy ny isan' ny naratra…

Ps : I Roland zanak' i Ravolomaso dia FRS tamin' izany ! Ny fahafatesan' izy io no isan' ny fanevan' ireo mpomba an' i Sefo Deba amin' izao andro izao !

Tsy fantatra mihitsy izay misy an'ialahy
Ny toerana moa afenina anay
Na Arivonimamo, na ao Nosilava
Tsy azoko veroka, tsy hita mazava
Nefa aoka aho leitsy hanoratra ihany
Sao misy fotoana any aoriana any
Hihaona indray
Dia izaho sy ialahy
Na mbola ho ela na ho haingana izany.

Nanaitra tokoa ny naharenesako ny antso
Fa hoe nosamborina ny teny Ankatso
Ialahy no avy hatrany tsaroana ao an-tsaina
Tsy natoriako halina, mandramaraina.
Ny vary io izao ; nohafanaina intelo
Fa mafaika ihany noho ny alahelo
Tsy maintsy ao anefa ny atao hoe tsy marina
Izany tsy hanakana antsika tsy hiarina

Ny fanilon'ialahy, leitsy, aza avela ho faty
F'io no fanantenana mandrisika anaty
Raha misy hakiviana mitady hisisika
Aza avela hibahana, tano ny risika
Satria ny maharitra ihany, hono, leitsy
Sy mijoro hatrany no hivoaka ho mpandresy…

Saika hadinoko an'ialahy ny nitantara ny omaly :
Aina maro no nafoy, ka voaly mainty no nasaly
Voalimaintin'ny fisaonana…

Fa rantsana folo no hany fiadiana
Mba teny aminay
Nefa poa-basy natao fiantsiana
No setrin'izay
Vatana maro no indreo mihosin-dra
Mafy any izany fa tsy hitan'ialahy !…
Maty ny antsika
Ny tanorantsika…
Omaly asabotsy àry izay no niseho
Ny marainan'ny nangalany anareo

Fa ny hariva tsy hita isaina
Ny ray aman-dreny tomanin-taraina
Mijery ny nofon'ny zanany miampatra
Dona-tsetrok'ireo fiara maro voadotra
No nandoto ny lanitra, nipololotra
Omaly asabotsy àry izay no niseho
Ny harivan'ny nitondrany anareo…

Ny anio indray kosa dia tsy fantatra loatra
Na tsy hamely intsony izy, na koa hitroatra
Ho any am-piangonana aho aloha izao
Hivavaka, hangataka ary koa hitalaho
Ho an'ialahy sy ny naman'ialahy
Hivavaka koa ho an'ny mpanao lalàna
Sao mba hisy vokany izay famotorana
Ary,… enga anie hisy ny famotsorana !
Ary aza matahotra fa izahay
Tsy hamela anareo any mandrakizay
Hitohy ny tolona
Ambarapijoron'ny zon'ny olona
Ny zon'ialahy sy ny naman'ialahy

Izay aloha no azoko hotantaraina
Fa ampitso indray… raha toa velona aina !…

13 Mai 72 : tsiahy (1)

Nampidirin'i sely1993 | 4 Nov, 2006
Atolotro manokana ho anareo rehetra Ho fitsiahiavana ny ela

Indray zoma, 12 Mai 1972…

… Tsaroako, indray zoma tolakandro, iraika ambitelopolo taona lasa izay !…

Nihomehy sy nikakakaka ny maro tamin'ilay baolina kitra vehivavy, azo lazaina fa ny voalohany, natao teny amin'ny kianjan'Ankatso. Isan'ireny ny tenako… tsy nanana afa-tsy vola ariary efatra sy sigara kely vitsivitsy sisa tany am-paosy !… Tamin'izay fotoana nihomehezana izay, dia tsaro-ako ihany koa ho niserana tao an-tsaiko ilay oha-pitenenana frantsay malaza manao hoe : "izay mihomehy andro zoma dia hitomany amin'ny andro alahady"…

… Nivory ny "bureau permanent" tao amin'ny Q1 iny zoma iny, tamin'ny alina, fa hanomana ny fihetsiketsehana lehibe hatao eny amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena ny ampitso 13 Mai. Fa nivory koa ny "service d'ordre" tao amin'ny Q2, ary isan'ny tao ny tenako, satria isan'ireo nantsoina hoe "grande cellule" tao amin'ny Agro tamin'izany fotoana izany, hanomana koa ny lafiny fiahiana ny fandriampahalemana sy filaminana mikasika io fihetsiketsehana kasain-katao io….

…Tokony ho tamin'ny roa ambinifolo ora alina tany ho any àry, nanemitra ny manodidina ny efitrano fivoriana ny zandary, ny miaramila ary ny FRS. Nirodorodo nifindra tao amin'ny Q2 avokoa ny tao amin'ny Q1. Dia nanao amboletra niditra tao an-trano ny herim-pamoretan'Ingahy Tsiranana.…

Vokany : nisavoritaka ny rehetra. Tao ny voan'ny toto vodibasy. Tao ny voatosika avy ery ambony ery, ka nanao toy ny hazo fisaka nitety latabatra avy ery ambony mankaty ambany, kanefa olombelona ihany fa tsy vatan-kazo akory, sanatria !… Mikitohatohatra miandalana avy any ambony mankany ambany mantsy no fipetraky ny seza ao. Ka inona, hoy ianao, fa tsy mangamangana avokoa izay rehetra nandalo izay sedra hafahafa izay…Isan'ireny i Lala, tovovavy iray, tsy mba be teny, mipetrapetraka izay, avy teny Anosivavaka Ambohimanarina teny !

O !… I !…O !… voasambotra izahay !…

…Sahabo tokony ho tamin'ny efatra ora marainan'ny asabotsy 13 Mai, dia nampiomanina izahay fa havoaka tsirairay. Ny antony : tsy fantatra !… Ny toerana haleha : tsy fantatra koa !…Fa dia iny tokoa fa nanao valala manjohy niditra tsikelikely tao anaty fiara madinika mpitatitra, tahaka ireny Mazda, na Toyota ankehitriny ireny !.… Dia niainga rehefa nazavazava ny andro !… Dia nanakoako teny an-tsolatry ny havoana sy ny lohasaha vao manomboka ho taitra amin'ny tori-masony, teny atsinanan'Antananarivo teny, ny hira hafahafa, nefa mampihoron-koditra : "O ! iza iza no hamonjy ahy ?…." sy ny hoe "O !… I … ! O !…, voasambotra izahay …ary ny hoe « …Aza manadino ahy, ry Mpihaino vavaka !…"

Araka ny re dia tsy nitovy avokoa ny zotra narahina, fa ny nisy ahy dia nihazo iny lalana mankany amin'ny Kolejy Rasalama, Andravoahangy iny. Tsy nitsahatra nanakoako hatrany ireo hira voalaza etsy aloha ireo, hany ka nivoaka nitazana teny am-baravarankely ny olona mitoetra amin'ny trano amoron-dalana. Tamin'izay indrindra no nohararaotina ny nanipy teny amin'ny arabe, tranona afokasoka efa nasiana taratasy kely misy hafatra ho an'ny ray aman-dreny, miaraka amin'ny adiresy mazava tao anatiny. Tsaroako fa taratasy telo no voasoratro : ny iray tao anatin'ny ireny tranon'afokasoka ireny, teny amin'ny Rasalama, ny roa kosa natolotro an-tanana ny FRS roa lahy avy any anindrana tao Arivonimamo. Taty aoriana rehefa tafaverina tao an-tranon-dray aman-dreniko aho dia hitako tao avokoa ireo taratasy ireo. Hararaotiko eto àry ny misaotra ireo nanao izay nahatongavan'ny hafatra tany an-tranonay, noho ny fandavantenany sy ny fitiavan-tanindrazana tao am-pony, ary indrindra noho ny fanehoany ny maha-samy Malagasy miara-miombona aina…

Fiaramanidina voalohany : ho aiza ?…

Tao Arivonimamo dia nihira indray ireo tanora marobe teo ambany tahon-tsaina, tsy misy saina akory miatrika, nihira ny "Ry tanindrazany malala o !…" Dia noterena nanao sonia, ary noterena hiaiky fa "nanongam-panjakana"…Ary sahabo ho tamin'ny sivy ora maraina teo, dia niainga ny fiaramanidina voalohany. Izaho mpitantara dia isan'ny tao anatin'io. Nitomany nidradradra ny teny ambany. Nanao toraka izany koa ny tao anaty fiaramanidina. Tsy tsapa intsony izay mety ho fifaliana ny amin'ny hoe "misantatra mitaingina fiaramanidina ny tena", fa tahotra, horohoro, alahelo matevina, hakiviana tsy manam-paharoa, ny toy izany no nibosesika tao anaty tao, ny tena moa sady tsy natory na indray mipy maso aza iny alina iny, no tsy nihinan-kanina hatry ny omaly hariva. Ny sakafo farany tao an-kibo dia izay nohanina ny zoma antoandro… Dia nanampy trotraka izany ny havizanana sy ny hatsiaka vao maraina…

Kelikely, rehefa vita ny fifanarahana tamin'ny zandary telo tao anaty fiaramanidina, ny amin'ny tokony hametrahany ny basiny, mba tsy hisian'ny horohoro ao anatin'ireto tanora efa hana ary sasatra, dia nivoaka ny mpanamory telo lahy. Nomeny ny sasany tamin'ny tovovavy ny akanjony mafana izay azony nomena. Fa ny tena nahazendana ka nandrava ny efitrefitry ny mety ho tsy fifampitokisana rehetra dia ny nanomezany mofo marobe, menakely, mofo gasy, ramanonaka vao mafana anay rehetra. Nahatratra 29 no isan'ny olona tao anaty fiaramanidina, ireny ilay lazain'ny miaramila hoe « dakota » ireny : mpanamory telo, zandary telo, ary mpianatra telo ambiroapolo, ka telo monja ny lehilahy.

Hatreo dia mbola tsy nisy nilaza na nampahafantatra hoe ho aiza, fa dia niroso nianavaratra andrefana ny dia, ary tokony ho tamin'ny roa ambinifolo ora teo, dia niantsona tao Analalava ny fiara. Hatreo ny anjaran-dry zalahy ireo. Fa inona indray no ho tohiny ?…

Ho any Nosilava, hono !…

Rehefa avy nihinankinana izay zavatra nomen'ny olona teny amin'ny seranan'Analalava teny, fa tena izany no fandehany, tokony ho tamin'ny iray ora antoandro, dia niainga ny sambo vedette salantsalany izay, nitondra anay niaraka tamin'ny valonan-damba vaventy marobe, narahina FRS telo hafa indray. Fandehanana sambo miampita ranomasina voalohany koa io, saingy fomba ahoana moa no isambarana izany raha fantatra fa andeha halefa sesitany ny tena ?…

Tamin'ny efatra ora teo ho eo ny famataranandro : nigadona teo amin'ny moron-dranomasina tsara tarehy be ny sambokelinay. Io koa no fotoana voalohany nahitan'ny maro taminay ranomasina !…Dia indreo koa misy FRS marobe mihitsy manemitra ny morona, mitondra itony basy « kalachnikov » itony, miaraka amin'ny ampinga fitaratra sy ny satro-by. Koa inona indray fa dia niverina ny horohoro sy ny tahotra. Nisovoka lalina ny fahakiviana. Nila hisoka aza ny famoizam-po…

Nisakafo hariva voalohany tany Nosivalava izahay . Nambara taminay fa tsy misy afa-tsy lovia 24, sotro 24, forisety 24, izay ihany no azo ampiasaina. Iny hariva iny dia samy nitana iray avy tamin'ireo fitaovana ireo aloha izahay, raha nihinana vary be vatokely nilaofana tamin'ny patsa fotsy feno fasika nalain-dro, fa tahatahaka izany hatrany no sakafo nandritra ny fe-potoana nijanonana tany.… Dia raikitra fa hatory. Nasaina niditra tao amin'izay trano be lavalava feno bara vy ny varavarankeliny, ary simenitra ny tany izay izahay. Izany hoe hiditra ao amin'ny fonja izany. « Tsy raikitra », hoy ny be di-doha isany. Tsy laitra nakisoka : « izahay angaha nangalatra, sa namaky trano, sa namono olona no hohidinareo ato » …

Nandresy indray, ka dia nidaboka natory teo amin'ny torapasika. Hay bodofotsy ireo valonana nentinay. Fa iny alina iny ihany, asa tokony ho tamin'ny 9 ora tany ho any, dia nisy namana hafa tonga. Tao anatin'izany ry Mopera Rémi Ralibera, ry Ingahy Rabetaliana, lehiben'ny sendikan'ny mpiasam-panjakana tamin'izany fotoana. Rehefa avy nivavaka izahay ny alahady maraina, teo am-body hazo lehibe iray izay, dia nitantara ireo tonga taty aoriana, ka fantatra tamin'izany fa tonga teo koa, ohatra, mpivady iray andeha hamonjy fampakaram-bady kanefa voarohy teny an-dalana teny, dia izay !

Fa ny tena nampihoron-koditra dia ny nahalalanay fa nisy « tongotra » entina mandehandeha eran'ny Araben'ny Fahaleovantena any Antananarivo any !… Dia an-tenda ny aina ! Nisavoritaka ny saina !… Dia fantatra koa fa mahatratra efa-jato mahery ny mpianatra voasambotra, ary mbola ho tonga eto Nosilava avokoa izy rehetra ireo. Vahoaka any izany rey olona è ! koa hanao ahoana ny fianana eto ? hoy ny fanontaniana tsy sahy naboraka, nisisika tany an-tsaina tany…

Ny fiainanan isanandron'i Nosilava…

Tonga tsikelikely ny mpigadra ary farany dia henika vahoaka i Nosilava, nosy iray mahatratra 11 km ny lavany ary 1 km mahery kely eo , hoe, ny sakany. Nisy ny tena gadralava, nisy ny gadra politika, tahaka an'Ingahy Resampa izany. Fa izahay ireto kosa : gadra inona ? Ny trano tsy ampy honenana, ny sakafo ambany foitra, satria tsy misy afa-tsy indroa isanandro ihany. Ny fitaovam-pihinana tsy ampy mizara. Ny fitafiana dia izay teny an-koditra ihany. Ary tena nampalahelo io, ho an'ny tovovavy sasany izay tonga fadim-bolana, fa dia ny akanjo sasany izay tsy voatery tsy maintsy entina toy ny fanao anatiny an'ny lehilahy, nanampy ireo fitaovana vitsivitsy nomen-dry Masera tao Analalava no namahana ny olana. Lalina any izany e !…

Rehefa misakafo indray dia olona roa hatrany no mifanaraka, ka amin'ny antoandro, manomboka amin'ny folo eo ka tsy mifarana raha tsy amin'ny roa, ny iray mampiasa sotro, ny iray faharoa kosa mampiasa forisety eo amin'ny lovia tokana ikambanana. Dia mifamadika indray amin'ny hariva. Vao lany ny sakafonao, dia anjaranao ny manasa ny fitaovana nampiasainao ka manome izany indray ny manaraka. Dia toy izany hatrany .

Fodiana tsy nampoizina…

Tsaroako ny alarobia tolakandro, sahabo tokony ho tamin'ny efatra sy sasany hariva tany ho any, raha iny mbola nilalao ranomasina iny ny ankabeazan'ny voasesitany, tsy hoe faly satria maka rivotra, fa tsy mahita atao, dia entin'ny fiaraha-mientan'ny maro, dia roboka fotsiny amin'izao ; ny sasany aza tsy manao na inona na inona akory, satria tsy misy anaovana koa moa, dia mandeha somary mihataka lavidavitra ny maro. Tamin'izay indrindra no namaky ny habakabaka ny feon'ny fiaramanidina iray. Nisidina nanatona akaiky ny mpilomano io, hany ka vetivety foana dia nangina ilay morom-pasika, satria tsy ela ny nielezan'ny feo tao anaty olona tao fa hoe « tonga hitifitra antsika iny, ka andao handositra, hanavotra aina »… Dia rifatra e !… Tsy tana !…

Kanjo, tsikaritra teny am-piafenana ihany, fa nilatsaka avy teny ambony teny, avy tao anatin'ilay fiaramanidina, irony elonaina kely irony. Tazana fa toa misy taratasy mifatotra teny aminy. Dia poa toy izay ihany koa no naharakotra olona ilay moron-dranomasina tsy nisy olona teo. Ny tena nanana aina aza - fa angamba koa tsy izany fa nentanin'ny fanantenana famonjena mafy - dia nirifatra namonjy izay nilatsahan'ireny elonaina kely vitsivitsy teny afovoan-dranomasina.ireny. Isan'ireny i Bema, tao amin'ny Lycée Galliéni tamin'izany fotoana. Izy no nahazo voalohany ny iray tamin'ireny. Inona tokoa ? : « miomana ry zalahy, fa tonga haka anareo izahay !… » Izany no soratra tao anatiny.

Dia nisahotaka indray ny vahoaka mpigadra. Nilamina ihany anefa. Iny hariva iny ihany dia niainga indray ny sambokely, asa moa izay isany fa tsy tokana aloha. Dia tao Analalava no nandany ny alina ny rehetra. Mbola teny amoron-dranomasina ihany. Nony maraina, dia inona tokoa, fa niondrana tamin'ny fiaramanidina indray fa « hody » !…

Fiaramanidina lehibe, izany DC 4 izany, hoe, no nitondra ahy sy ireo namako niara-dalana voalo-hany niampy olon-kafa koa. Hafa kely fa norosoana sakafo izahay teny. Hitan'iza taiza izany misakafo nefa manidina ? Tena tokony hipoaka ny fifaliana, kanefa… dia natelina mangina izay sakafo naroso tsy nahazoana tsirony, satria mbola nitambesatra tao an-tsaina ny tantara re. Somary naka toerana indray mantsy ny fanahiana, ary maika nihalalina aza, satria, rehefa tonga teny Ivato, ka niditra tao anatin'ireny fiara « super » mpanao « bus » sy « taxi-brousse » ireny, dia raiki-tahotra fa sao hoe misy mitifitra eny an-dalana eny. Lazaina fa tsy ampy mihitsy ny fanazavana azo momba izay toe-draharaha fa ny fantatra dia hoe « hody fotsiny », hono. Dia izay. Aza gaga ianao raha lasa ho azy ny fanahiana.

Teny an-dalana àry dia toy ny tsy nisy olona tao anatin'ilay fiara nitondra anay - tsy fantatro izay tany an-kafa - satria nidina niforitra hatrany ambany seza rehetra tany ny mpandeha resin-tebiteby. Ary rehefa nakarina teo ambonin'ny lampihazo nandraisana ny « rallye de Madagascar » tamin'izany fotoana aza izahay, ka haseho vahoaka sy tononina anarana tsirairay, dia mbola nanenika mihitsy ny tahotra sao hisy hitifitra… Dia nentina nisakafo tao amin'ny Hotel Glacier avokoa ny rehetra iny hariva iny, vao nody tany an-tranony avy. Ho ahy manokana dia azo lazaina fa nitombina ihany ny ahiahy sy ny tahotra, satria teny amin'ny manodidina anay dia mbola nafotaka tokoa ny tifitra nanafihana ny PSM teo Ambohidahy. Koa raha ianao no teo amin'ny toerako, ho nitony ve ianao, ary ho hainao ve ny nihanoka ny fifaliana nihaonanao tamin'ny havanao indray ? Asa, fa andro roa na telo vao tafididtra indray ny tena .

Fa inona moa no nitolomana tamin'izany ?…

Nikomy ny tao Befelatanana, ny mpianatra ho dokotera io. Niainga tamin-javatra tsotra dia nitatra ka tonga tamin'ny fahatsapana tsy fitoviana teo amin'ny mpianatra ho dokotera teny Ankatso sy tao Befelatanana. Dia nihazo ny Oniversite iray manontolo. Tonga tany amin'ny Lycée. Ary farany dia nanenika ny ambaratongam-pampianarana rehetra nanerana ny Nosy : « Sekoly miangatra ». Tsaroko fa teny niverimberina foana teny ny hoe « mianatra dia ho aiza, bevohoka dia mitaiza ». Fa nivadika mora koa io resaka io ka tonga politika. Dia voaresaka koa ny fironan'ny mpitondra tamin'izany fotoana izany be loatra tamin'ny Frantsay. Nipoitra ny fitadiavana ny tena fahaleovantena, ny tena maha-izy ny tena.

Dia nisy ny nahay nanararaotra izany. Tsy iray, tsy roa, fa maro, ary mbola manohy manararaotra foana ny toe-javatra sasany, tahaka ny hoe fihetsiketseham-bahoaka…hatramin'ny ankehitriny Mazava ho azy fa rehefa tsy ny faharesen-dahatra sy ny tena fitiavan-tanindrazana no mibaiko, fa ny tombontsoa manokana sy ny kajikajin'izay rehetra miseho ho marani-tsaina, ka manararaotra ny zavatra rehetra hakana fanjakana, dia voailika fa tsy voavaha ny olana. « Voanemba mitsipika an-joro izy amin'izay, ka tsy very fa maka toerana ». Mangina ary mitelina ny famoizam-pony ny Vahoaka voafitaka. Saingy tsy miala vehana izy, fa « maka saina », ary dia mitroatra rehefa tonga ny fotoanany.

1982 : moa tsy nirongatra ny olona, na dia tao aza ny fanjakana jadona nisy tamin'izany fotoana ? Ny valisoany ve ? Tadidintsika fa krizy be nanadala : ny vary sady voafetra no nilaharana maraim-be ; ny fanafody, ny menaka, ny savony, ny sakafon-jaza teny amin'ny farmasia : samy nanjavona avokoa. Dia nipoitra mora foana tahaka ny majika ary naka toeran tsy hay notohaina ilay fomba malazan'ny Repoblika Faharoa natao hoe : « risoriso ». Niampy indray ny olana, fa mbola « miangatra ny sekoly », dia « miangatra koa ny fiainana » !…

1991 : tsy nanampo ny mpibodo fahefana sy ny forongony. Tsy miova koa ny fihetsiny, maha-gaga !… Raha « tsakitsaky, zato, arivo… » no baikon'ny teo aloha, tamin'ny Repoblika Voalo-hany, dia ny hoe : « na dia hihodidina impito, impito-polo, impiton-jato aza, dia… ». Fa na izany aza, dia mahatadidy avokoa ny « raharahan'ny 10 Aogositra 91 » isika rehetra : famonoana Malagasy Mpiray Tanindrazana koa io, tahaka izay nitranga tamin'ny 13 Mai 1972. Nisy ny fanantenam-piovana sy fanovana tamin'izany fotoana. Saingy vetivety foana dia « nakohon'ny nahiny tahaka ny ranovola tra-maraina » ihany izany. Dia « volan-kakafotra, ka ny omaly tsy miova ihany »…

2002 : « sodifafana ny vahoaka Malagasy, ka atsipy any an-kady vao manongalika ». Iza indray no nanampo fa hifoha amin'ny torimasom-pahantrany tsy hita hovisavisaina ilay Vahoaka Malagasy mijaly sy ampijaliana mandavam-piainana ?…Iza indray no nieritreritra fa tena hiray hina indray ny Vahoaka Malagasy hanilika ny « ratsy sy ny herin'ny maizina » ?…Iza moa no nanampo fa ilay Vahoaka Malagasy nolazaina sy asaina milaza hoe « leo pôlitika » no nanao ny tena pôlitikam-pitiavan-tanindrazana. Toa zavatra tsy toa inona akory, hevitra toa tsy mirindra akory no tonga hery nanentana ny rehetra ; « aza matahotra, minoa fotsiny ihany ». Sarotra ninoana ho nandrava fanjakana jadona izany, jadon-kevitra, jadom-bola amam-panana, jadom-pahefana, kanefa dia nahavita izay tsy neritreretina satria : « ny fihevitro tsy fihevitrareo ».

Tsy misy ratsy tahaka ny fahazaran-dratsy, fa zary toetra raikitra io rehefa miverimberina. Nandritra ny efapolo taona nahazoana ny Fahaleovantena dia niriorio tao an'efitra tahaka ny zanak'Israely ny Vahoaka Malagasy. Nihevitra izy fa niroso ny diany kanjo, isaka ny folo taona vao tsapany fa ny teo ihany no miverina. Dia mikomy izy, mitroatra. Folo taona efatra izay no lasa. Ampiana folo iray fahadimy indray ve ?… Sa kosa efa ampy izay !…

Efa antsasaka siekla, ary mihoatra aza, ny ankabeazan'ny mpianatra voasesitany tany Nosilava telopolo taona lasa izay. Mipetraka àry ankehitriny ny fanontaniana : afaka ve ny olona ? Tsy miangatra intsony ve ny sekoly ? Tsy miangatra intsony ve ny fiainana ? Raha izany tsy aleo mandroso, fa « isika tsy mba naman'izay mihemotra » akory. Ny tsirairay miezaka mandroso no mampandroso ny rehetra, ary ny tsirairay tsy mitaredretra no mahatonga ny fampandrosoana ho haingana. Ary ny fitondram-panjakana mahay mandrindra no mahatonga ny tsirairay hazoto hampandroso ny tenany sy ny Fireneny.

Ho foana anie ny fahazaran-dratsy !
Handroso anie i Madagasikara !

-  --

Auteur : Fano
Date : 13-05-03 00:32

Misaotra anao indrindra Ndremiadana.

Tao koa ny tenako, solontenan'ny Bahut.
Raharaha niantomboka ny volana febroary (niarahana tamin'ny mpianatr'i Befelatanana...). Ohatra iray : Isaka ny asabotsy dia lasa izahay telo dahy kely (mpianatr'i Bahut, L. J. Ferry, L. Rabearivelo) nalefa mitety mpanao gazety (Imongo, Hehy, Vaovao...), mba hanazava ny tsy mety sy ny hetahetan'ny mpianatra. Ny nandray anay telo dahy tao @ gazety Hehy dia G. Andriamanantena. Ny namana sasany dia nalefa eraky ny mpitondra isan-karazany (Ministera)...Miboredika, mitady ny teny sahaza satria mbola tsy ampy loatra. Tsy natahotra anefa teo anoloan'ireo mpitondra ... manazava, manontany ary noraisin-dry zareo tsara ihany. Ny vavy kely solontenan'i L. J. Ferry dia vao 16 ans (Ninni, nipetraka tao Andravoahangy), izahay roa lahy dia zokiny kely. Dia tonga ny 12 sy 13 Mai ary Sesitany tany Nosy Lava hoy ianao.

Raharaha nandamoaka satria nivadika biby : mpanao politika sy miaramila no tao ambadika, ka ny mpianatra izay tsy mbola mahalala ny atsimo sy avaratra no natao fiasana. Dia Sesitany taty Frantsa koa raha ny fandraisoko ny tohin'iny tantara iny….

Ho an'ireo tsy mahafantatra dia toy izao ny fanontanian'ireo polisy izay naka an-tsoratra, tamin'io alina io, tao @ ilay amphi. nohodidinin'ny FRS mirongo basy : "ny anaranao, taona sy toerana nahaterahana, aiza no mianatra, iza ny anaran'ny rainao, aiza izy no miasa, ny anaran'ny reninao, inona ny asany ?...".

-  --

Le 13 Mai 2003 à 08:44 GMT,
radzo (rtjohary_chez_hotmail.com) a écrit :

Re : 13 Mai 72 : fahatsiarovana
>

Dia mba iza kay no nandefa ilay hafatra tamin'ny boatin'afokasoka tany an-tranonareo ?

Hafa tokoa ny olona tamin'ny zany. Amin'izao dia tena tsy azo atokisana ohatra izany intsony ny olona. Tsy mety raha tsy tambazana valisoa, amin'izay aza mbola ivavahana mafy ny hetezany.

Madatsara.com

-  --

Sujet : Re : 13 Mai 72 : fahatsiarovana Le : 13-05-03 à 10:53

Mbola tsy teraka akory aho tamin'izany fa isan'ny liana amin'iny tantara iny. Dia mamaky ireo fijoroana vavolombelona ataon'ny tena niatrika izany fotoana izany.

Koa dia manainga ny rehetra izay niaina izany mba hanoratra izany ho tantara, tsy fanadino akory, fa ho tantara hiverina ao an-tsain'ny tanora aty aoriana rehetra, hakana lesona..., satria na tiantsika na tsy tiantsika dia isan'ny nitondra fiovana teo amin'ny firenena izany.

Dia misaotra sahady ireo efa nanao izany toy ireto zoky ray aman-dreny eto aloha sy ny mbola ho avy ihany koa.
Auteur Radzo
Madagate .com

13 MAI 1972 :

Nampidirin'i sely1993 | 4 Nov, 2006

LAHATSORATRA VOALOHANY

TALATA 16 MAY

Nilamina ny tanàna raha ny ankapobeny satria samy tsindrian-daona niandry ny fiverenan'ireo mpianatra avy any Nosy-lava, izay niisa 372, araka ny filazana ofisialy.

Tamin'ny sivy ora sy fahefany maraina, dia notendren'ny Prezidan'ny Repoblika ny Jeneraly Gilles Andriamahazo ho delege militera ao Antananarivo, nisolo an'Atoa Jean-Jacques Rakotoniaina. Ary dia re koa fa ny FRS rehetra dia naterina tany amin'ny toerana misy azy, nambenan'ny zandarma.

Voalaza tao amin'ny fandefasam-peom-pirenena fa tany Toamasina dia nisy fotoam-pivavahana nikambanana ho an'ireo namoy ny ainy tamin'iny fitokonana iny ary nitokona nandritra ny indroa andro ny mpiasa rehetra. Tamin'ny valo latsaka folo, dia tody soa aman-tsara teny anoloan'ny Lapan'ny tanàna ireo notanana vonjy maika tany Nosy-Lava izay noraisin'ny vahoaka an'aliny tamim-pahanginana sy filaminana ary fahamendrehana tanteraka.

Nikabary fanintelony ny Prezidà Tsiranana nanafatrafatra an'ireo mpitokona tafaverina avy any Nosy-Lava mba hitandro ny filaminana, ary nanafatrafatra an'ireo mpianatra sisa mba tsy hifoka rongony, izay fanetriben'ny firenena sy mahakizo taranaka.

LAHATSORATRA FAHAROA


 

 

-  Lakroan'i Madagasikara : 28 mey 1972, N° 1791, page 3.

IZAHAY TANY NOSY-LAVA.

Ny alin'ny sabotsy mifoha alahady dia mbola nivory tao amin'ny Oniversite izahay. Tamin'ny 10 alina dia tsikaritry ny sasany taminay izay nikarakara ny filaminana fa voahodidina miaramila ilay trano nivorianay. Tampoka tamin'ny misasakalina dia nanao be miditra tao amin'ny efitrano nivorianay ny FRS. Rano an-dravina izahay rehetra ary samy nikoropaka niala teny amin'ny toerana ka nivangongo toa renintantely tery aloha tery, nijery ireto miaramila toa handrapaka anay. Tsy hay lazaina intsony ny tebiteby nanjo anay fa samy nihevitra fa io no fara-fiainana. .

Dia nilaza ireto miaramila fa ho avy hanao sava hao ny trano izy ireo, ary nangataka anay mba samy hamonjy ny toerany avy. Samy namonjy ny toerany am-pilaminana izahay ary samy niandry izay hatao anay...

Tsitapitapitr'izay dia nasaina nivoaka tsirairay izahay ary nasaina niditra tao anaty fiarakodia vaventy ary niandry tao ka niandry izay hiafaran-javatra, nangovitry ny tahotra sy ny hatsiaka. .

Tamin'ny efatra sy sasany maraina vao niainga ny aotomobilina, nahazo an'Ambanidia sy Tsimbazaza ary Soanierana sy Anosipatrana ary dia nirimorimo nankany Arivonimamo. Teo dia somary taratray fa hohidiana an-tranomaizina ao Arivonimamo izahay. Gaga sy talanjona indray anefa izahay nahita ireto fiaramanidina dimy nihatrana sy vonona handeha lavitra. Fa ho aiza indray ity ny haleha, hoy izahay nanontany tena ? Teo vao noraisina tsirairay ny anaranay ary nizarana an'ilay taratasy fanamelohana sy fanaovana sesitany anay. Dia niditra izahay fa tsy fantatray izay haleha, fa iza moa no mbola nahalala izany sesitany izany no ny toerana tsy fantatra rahateo... .

Dia niainga ny fiaramanidina nitondra anay tamin'ny roa tolakandro ary nijanona tao Antsohihy. Teo indray dia nasaina niova fiaramanidina izahay, ka tamin'ny telo sy sasany indray no niaingana. Tamin'ny dimy sy sasany hariva vao tonga tao Analalava. Noho ny andro efa hariva dia tafandry tao izahay. Ny zazavavy moa dia nomena efitrano manokana sy kidoro, hono. Fa izahay zazalahy kosa dia nandry teo amin'ny tora-pasika...

Tamin'ny dimy sy sasany maraina dia tonga ny lakana notarihin'ny motera haka anay ho any amin'izao Nosy-Lava izao, izay nosy kely any amin'ny 25 kilaometatra any afovoan'ny ranomasina any. Teo vao velon-tsento ka nanao veloma an'i Madagasikara tanindrazanay, ka tsy niala ny maso nijery an'ilay tanindrazana tsy mitsaha-mihalavitra anay ary nanangasanga farany tany anaty zavona tany. .

Rehefa tonga tany Nosy-Lava izahay dia noraisin'ny Gardien-Chef tsara ary noraisiny indray ny anaranay. Trano tsy misy kidoro fa nopasohana simenitra, be lavadavaka no nasaina hatorianay. Naleonay anefa natory teo amorom-pasika koa , toy izay ho voan'ny hatsiaka tamin'ny simenitra. .

Noho ny tsy fahampian'ny sakafo dia indroa ihany izahay no nihinana dia ny antoandro sy ny hariva, ary na dia namofompofona aza ny vary, dia samy nanezaka satria mafy ny hanoanana nahazo, ary mba nisy ihany ny laoka tsaramaso niharo tamin'ny teti-kena madinika. Naharitra adiny roa ny fisakafoana satria vilia 30 no nifandimbiasan'ny tanora nahatratra roanjato mahery. .

Tampotampoka ny alatsinainy tamin'ny roa sy sasany tolakandro dia nilazana indray izahay fa hiverina an-tanindrazana. .

Toa nofy no fandrenesanay an'izany, kanefa ny nofy dia nody tena zavatra ka tafaverina soa aman-tsara teto an-tanindrazana indray izahay. Izany dia mampisaotra ny firaisankinan'ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ary ny mpiasa sy ny vahoaka malagasy manontolo, fa matoa izahay tsy latsaka tao amin'ny lalina sy ny famoizam-po dia noho ny fiezahan'izy ireo ihany. .

Ho ela velona anie i Madagasikara iray tsy mivaky. .


Mpianatra iray tany Nosy-Lava.

LAHATSORATRA FAHATELO


 

 

- Lumière N°1878 21 Mai 1972 P 1.6.

Mardi16 - Journée calme : on attend le retour des 372 exilés de Nosy-Lava. .

A 9h15, on apprend que le président Tsiranana a nommé le général Andriamahazo gouverneur militaire de Tananarive. .

Les FRS ont tous été ramenés dans leur caserne, gardés par les gendarmes.

A Tamatave, prière œcuménique pour les morts de samedi et grève de solidarité de 48 heurs. .

De 13 à 17h, arrivée des avions des déportés à Ivato. Tous arriveront ensemble à l'Hôtel de Ville à 19h50. Le cardinal Rakotomalala est sur le podium. La foule se disperse en silence. .

Troisième message radiodiffusé du président Tsiranana : « Les enfants sont revenus ».Mais mise en garde contre le rongony (chanvre) que fument les élèves et qui serait la ruine de la Nation ! .

LAHATSORATRA FAHEFATRA


 

 

- Lakroan'i Madagasikara, Alahady 4 Jiona 1972. Laharana faha-1792 page 2

NOSY-LAVA IHANY :

Nisy nangataka ahy mba hitantara ny tany Nosy-Lava. Ataoko fa fotoana lany maina sy toerana very fotsiny eto amin'ny gazety ny fitantarana indray an'izany. Sady niserana fotsiny izahay no tany ka tsy azo lazaina hoe : natao sesitany marina koa. Tsy mendrika izany voninahitra izany aho. :

Matoa anefa aho nanaiky hamoaka ity lahatsoratra ity dia nisy antony lehibe hafa ao : :

1. Tsy fanenjehana ny Eglizy akory no nampisamboran-dry zareo ny tenako Pretra katolika. Tsy ny Eglizy akory no nasiany fa ny tenako izay noheveriny fa "mpanao politika namoky ny Tanora hitokona". Vavolombelona anefa Andriamanitra sy ny mpianatra nitokona fa tsy izany velively aho.

2. Mba hitandroana ny Firaisam-pirenena sy hitahirizana an'i Madagasikara ho iray tsy mivaky, dia isan'ny mangataka aho mba tsy hasiana lolom-po na valifaty ireny raharaha nitranga teto Antananarivo ireny.

3. Aoka anefa hazava tsara ny hevitra ambarako. Raha ny nitifirana ny ankizy sy ny tanora tsy nanam-piadiana tamin'ny 13 Mey, dia raharaha tsy maintsy hampakarina fitsarana hahitana izay tena diso. Nefa aoka hatao amim-po tony dia tony izany, hatao ara-dalàna. Ary ny tenako dia hiaro an'izay voampanga, indrindra raha sanatria ka itadiavana valifaty izy ireo. Ny antony dia ny mba hitandroana ny Firaisam-pirenena sy mba hifankatiavantsika samy Malagasy, ka hahaizantsika mifamela heloka.

4. Ny tenako tany Nosy-Lava dia nihaona sy niresaka tamin'izy 13 mianaka "assignés à résidence fixe" any noho ny raharaha Resampa ; samy sesitany ve tsy hiresaka ?

Nahatsapa ny fahoriam-panahy nahazo azy rehetra aho : tsy mahare vaovao amin'ny havany, tsy mahazo taratasy, tsy misy mpamangy. Tsy izy ireo mihitsy, hono, no nangataka ny hafindra any avy tao Arivonimamo ; nangatahiny aho hilaza izany.

Salama vatana izy ireo ary mahay mifankahery amin'ny fahoriana. Ny hany angatahiny dia tsy hoe famindram-po na fitserana, fa fahamarinana ; noho izany mangataka izy mba hampakarina fitsarana ny raharaha Resampa.

5. Ary dia miombon-kevitra tanteraka amin'izay rehetra mangataka ny hanafoanana ny ordonnance n° 60-063 momba ny assignation à résidence fixe ny tenako. Faran'izay loza iny didy hitsivolana na ordonnace iny. Izahay nalefa tany dia tsy nanaovana famotorana, tsy navela hiteny, tsy navela hiantso mpisolovava fa avy hatrany dia nomelohina ho sesitany satria, hono, voaporofo (convaincu) fa nanao zavatra nanakorontanam-panjakana sy nitady hanongana ny governemanta. Aiza anefa ny porofo ? .

Raha tsy nisy ireo tanora 380 niaraka taminay tany, ary raha tsy nihetsika Antananarivo iray vohitra, dia ho mbola tany Nosy-lava ny tenanay olon-dehibe folo mianaka, tsy nanam-piaro, tsy azon'ny avôkà harovana satria tsy nampandalovina ny fitsarana akory ny fisamborana anay. Tena lalàna tsy rariny mihitsy iny ordonnance n°60-063 iny. Na ianao tsy maninon-tsy maninona io aza dia azo atao sesitany noho iny ordonnace iny, raha vao soniavin'ny minisitry ny Atitany ilay taratasy... Ny anay dia sonia natao tamin'ny stencil an-jatony maro, ka dia nozaraina taminay. Mahatsiravina izany satria potipotika mihitsy ny zon'olombelona.

6- Farany, amin'ny maha-Pretra ahy, dia tsy mitana alahelo na amin'iza na amin'iza aho, na dia amin'ireo nampisambotra ahy aza. Avelako Andriamanitra hitsara azy ireo, ary ivavahako Andriamanitra mba hamindra fo aminy. Fahadalana ve ny ahy ? Tsia, satria izany fifamelana izany no antoky ny Fifankatiavantsika samy Malagasy.


P. Rémi RALIBERA :

LAHATSORATRA FAHADIMY


 

 

-  FANASINA Alakamisy 25 mey 1972, Laharana 764.

NALEFA SESITANY.

-  Zoma 12 mey 1972.

Nakambana tao amin'ny Amphi Q1 daholo ny sevice d'ordre sy ny conseil permanent rehetra. Nilaza tamin'ny solontenan'ny mpianatra ireo olona avy amin'ny Force de l'ordre fa hanao perquisition ao amin'ny toeram-pivoriana, sao dia misy hifandraisan'ny zavatra nataon'ny mpianatra amin'ny "Raharaha Resampa". Nasaina nivoaka tsirairay ny mpianatra fa tsy nety. .

Tamin'ny 12 alina latsaka dia niditra ny FRS. Nampangina ny tao an-trano ny mpianatra iray, kanefa dia hoy ny lehiben'ny FRS iray hoe : "Commencez par celui là !" Voakapoka io mpianatra niteny io. Nisy mpianatra faharoa koa saika hiaro ilay voalohany, kanefa dia voakapoka koa ary navoaka tany ivelany izy roalahy. .

Nikorontana ny tao an-trano. Nandositra tery aloha tery daholo. Namahana ny basiny ny FRS ary efa vonona ny hitifitra ireo mpianatra nitangorona tery aloha. Soa ihany fa niditra indrindra ireo Commissaires sy Inspecteurs en civil tamin'izay fotoana izay ary ireo no nampitony sy nampipetraka ny mpianatra. Dia nanomboka nanisa anay izy aloha, dia naka ny état civil, dossiers sy ny taratasy rehetra. .

Nasaina nivoaka tsifolofolo izahay ary nampidirina tany anaty fiarakodia amin'izay.

-  Asabotsy 13 mey 1972.

Efa tamin'ny dimy ora maraina vao niala teny Ankatso izahay satria mbola nifampiandry tao am-bavahady daholo. Namakivaky ny tanàna ny convoi. Velon-kira daholo izahay : "O ! I ! O ! voasambotra izahay ! ». Efa niankandrefana izahay vao nahafantatra fa ho any Arivonimamo. .

Tao amin'ny Camp-n'ny Gendarmes izahay no napetraka aloha, izay indray vao nentina tany amin'ny aéroport. Tao izahay no nasaina nanisy sonia taratasy izay milaza fa "manaiky izahay fa mikasa hanongam-panjakana". .

Tamin'ny 11h30 izahay no niainga : avion fahefatra io. 1 ora tao Antsohihy : tao no nisakafo : mofo sy sardines. Sendra nisy tompon-tany nanome ireo. .

DC-3 no nitondra nankany Analalava : camions-n'ny gendarmes no nitatitra nankeny amin'ny plage : olona marobe no nitangorona nijery anay teo : ary teo no nisy nanome mofo sy rano ho anay. .

Ny vedette dia efa nanomboka nitatitra nankery Nosy-Lava : ora 1.30 eo ho eo vao tonga eny. .

Tafandry tao Analalava izahay. Sakafo nokarakarain'ireo gadra tao Analalava no sakafonay iny alina iny : niampy sardines sy limonade avy any amin-dry mompera sy masera, izay mbola nanome akanjo koa. .

-  Alahady 14 mey 1972.

Niala tao Analalava ny 3ème voyage tamin'io andro io, tokony ho tamin'ny 10 ora 30. .

Raha vao nahatazana ny moron-dranon'i Nosy-Lava ny mpianatra dia nihorakoraka daholo, sady nahatazana ireo mpianatra nitsena koa. Ny sasany tsy andriny izay hijanonan'ny vedette dia efa nitsambikina nilomano tanaty ranomasina sahady. .

Nanatona ny tranon'ny Directeur izahay, ary efa tao daholo ireo mpiasam- panjakana tompon'andraikitra. Noraisina indray ny état civil-n'ireo vao tonga. .

Tamin'ny 5 ora hariva vao nomena sakafo ireo vao tonga : vary masisobe sady maintimainty izany. Izay no fahakiviana voalohany indrindra hita sy tsapa tao Nosy-Lava. Betsaka no tsy nihinana fa nionona tamin'ny voasary sy hena am-bifotsy fotsiny. .

Nony hariva ny andro dia nanao karazana fiaretan-tory ny mpianatra : nihirahira, nandihy, nilalao niaraka. .

Tamin'ny 6.30, nisy olona tonga haka ny zazavavy hatory amin'izay, satria tsy nekena ny fangatahanay hoe : hiaraka ka ny zazalahy mpitokona no hiaro ireto anabaviny. Gadra lahy daholo mantsy no tao Nosy-Lava hatramin'izay. Nandeha tsy tamin'ny safidim-pony ny zazavavy natory. .

-  Alatsinainy 15 mey 1972.

Mbola misy tonga ihany : isan'ireo tonga farany Willy sy ny Comité de grève. Nivory daholo izahay handinika sy hanapa-kevitra ; saika hosarahina tsy hahazo hifampiresaka mantsy ny zazavavy sy ny zazalahy, ary koa hanao fanoherana ny amin'ny sakafo : nisy nanapa-kevitra hanao grève de la faim mihitsy aza raha mbola mitohy izao.

Natsangana ny comité provisoire handinika ny "organisation intérieure" (fandaminana anaty). .

Tonga ny Gardien en Chef niteny fa tsy hosarahina indray izahay. Horakoraka fisaorana no natoan'ny mpianatra sy ireo ray aman-dreny. .

11.30 ora atoandro : namory ny mpianatra ny Directeur sy ny Gardien en Chef fa misy vaovao holazaina aminay. Télégramme avy any Tanà : "embarquez obligatoirement les principaux dirigeants dont Willy pour comparaître devant le Président de la République. Avion décollera à Analalava à 13h40. Nanapa-kevitra ny rehetra fa tsy handeha, sady tsy handefa an'i Willy, sao dia fitaka indray izany. .

Niverina indray ny Gardien en Chef nilaza sy namaky ny télégramme faharoa : 62 indray no halefa voalohany - ny sisa dia mandeha par rotation. Ny dikany, hono, dia hoe : afaka izahay rehetra.

Zavatra tapaky ny mpianatra fa mandeha tsikelikely ary mifampiandry ao Analalava daholo mandrapahatapitry ny mpianatra ao Nosy-Lava. Ao indray vao miaraka miainga ho aty Tanà. .

Re tamin'ny vaovao nolazain'ny radio fa tonga any Ivato tamin'ny 9 ora alina latsaka dimy ny mpianatra roambinifolo solontenan'ny rehetra. Korontana tany Nosy-Lava satria tsy nahafantatra ny antony nandehanan'ireo solontena roambinifolo ireo : sao dia noterena àry ? .

-  Talata 16 mey 1972.

Tonga tao Analalava : namono omby roa ny tao ary nanomana sakafo ho an'ireo avy any Nosy-Lava. Teo no notaterina nankany Antsohihy ireo izay handeha DC-4. .

Fandraisan'ny mponina tao Antsohihy : Feno ny aéroport. Hita daholo ny karazan' olona mponina tao Antsohihy. Mbola nanome zavatra hohanina sy hosotroina. .

Efa nisy DC-4 roa lasa nialoha. Ny DC-4 roa sisa kosa dia tsy nanaiky ny hiala tao Antsohihy raha tsy manidina eo ambonin'ny aérogare ny avion 6 mitondra ny mpianatra sisa tao Analalava. .

Niainga ny DC-4 tamin'ny 3.30 hariva. Efa afaka an'i Tsaratanàna vao tazanay ireo fiaramanidina 6 nialoha lalana. Tamin'ny 5 ora mahery, ny DC-4 no nipetraka voalohany tao Ivato. .


 

LAHATSORATRA FAHENINA


 

 

-  Lakroan'i Madagasikara N°1791 page 3 Alahady 26 mey 1972

NY TOE-JAVATRA NITANA NY SAINA TAO ANTANANARIVO

Niara-nirona hiray feo hatrany ny olona teto Iarivo.

Niara-nahita, na farafaharatsiny, niara-nandre ireo zava-niseho teto Antananarivo moa ny mponina, ka tsy nahagaga raha niray hina izy ireo nitaky ny fiverenan'ireo mpianatra natao sesitany tamin'izao raharahan'ny mpianatra izao.

Iray feo izy ireo nanameloka ny herisetra sy nitsipaka izay noheveriny ho rangory fototr'izany. Niaraha-nandre tamin'ny alalan'ny radio ihany koa sy efa navoakanay teto rahateo ny antson'ny mpitondra fivavahana isan-tokony, niray feo tamin'ny vahoaka.

Ary ilay filaharam-be ny Alatsinainy 15 mey nankeny Andafiavaratra, nitaky ny famerenana ireo natao sesitany, ka anisan'ny fototra nahazoana ny fiverenan'ireo sesitany na dia tsy ambara intsony fa lasa fo iray, saina iray ny mpianatra sy ny mpiasa ary ny ray aman-dreny teto Antananarivo.

Indray andro maninjitra no niandrasan'izy ireo ny fiverenan'ireo tany Nosy-Lava : nanomboka ny Alatsinainy 15 mey ka niafara ny talata hariva 16 mey.

An'ora no iandrasana ny fanambaran'ny komitin'ny mpitokona natetika.

Ny asabotsy maraina anefa, dia efa mba hafa kely ny fiandrasana, satria voatsentsin'ny fampandrenesana sy ny fanazavana ary ny famakiana ny vetsovetson'ny poeta eo anoloan'izao toe-javatra lalovan'ny firenena izao.


Tonga soa sely1993!

Nampidirin'i sely1993 | 4 Nov, 2006
Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.