Atolotro manokana ho anareo rehetra Ho fitsiahiavana ny elaIndray zoma, 12 Mai 1972…
… Tsaroako, indray zoma tolakandro, iraika ambitelopolo taona lasa izay !…
Nihomehy sy nikakakaka ny maro tamin'ilay baolina kitra vehivavy, azo lazaina fa ny voalohany, natao teny amin'ny kianjan'Ankatso. Isan'ireny ny tenako… tsy nanana afa-tsy vola ariary efatra sy sigara kely vitsivitsy sisa tany am-paosy !… Tamin'izay fotoana nihomehezana izay, dia tsaro-ako ihany koa ho niserana tao an-tsaiko ilay oha-pitenenana frantsay malaza manao hoe : "izay mihomehy andro zoma dia hitomany amin'ny andro alahady"…
… Nivory ny "bureau permanent" tao amin'ny Q1 iny zoma iny, tamin'ny alina, fa hanomana ny fihetsiketsehana lehibe hatao eny amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena ny ampitso 13 Mai. Fa nivory koa ny "service d'ordre" tao amin'ny Q2, ary isan'ny tao ny tenako, satria isan'ireo nantsoina hoe "grande cellule" tao amin'ny Agro tamin'izany fotoana izany, hanomana koa ny lafiny fiahiana ny fandriampahalemana sy filaminana mikasika io fihetsiketsehana kasain-katao io….
…Tokony ho tamin'ny roa ambinifolo ora alina tany ho any àry, nanemitra ny manodidina ny efitrano fivoriana ny zandary, ny miaramila ary ny FRS. Nirodorodo nifindra tao amin'ny Q2 avokoa ny tao amin'ny Q1. Dia nanao amboletra niditra tao an-trano ny herim-pamoretan'Ingahy Tsiranana.…
Vokany : nisavoritaka ny rehetra. Tao ny voan'ny toto vodibasy. Tao ny voatosika avy ery ambony ery, ka nanao toy ny hazo fisaka nitety latabatra avy ery ambony mankaty ambany, kanefa olombelona ihany fa tsy vatan-kazo akory, sanatria !… Mikitohatohatra miandalana avy any ambony mankany ambany mantsy no fipetraky ny seza ao. Ka inona, hoy ianao, fa tsy mangamangana avokoa izay rehetra nandalo izay sedra hafahafa izay…Isan'ireny i Lala, tovovavy iray, tsy mba be teny, mipetrapetraka izay, avy teny Anosivavaka Ambohimanarina teny !
O !… I !…O !… voasambotra izahay !…
…Sahabo tokony ho tamin'ny efatra ora marainan'ny asabotsy 13 Mai, dia nampiomanina izahay fa havoaka tsirairay. Ny antony : tsy fantatra !… Ny toerana haleha : tsy fantatra koa !…Fa dia iny tokoa fa nanao valala manjohy niditra tsikelikely tao anaty fiara madinika mpitatitra, tahaka ireny Mazda, na Toyota ankehitriny ireny !.… Dia niainga rehefa nazavazava ny andro !… Dia nanakoako teny an-tsolatry ny havoana sy ny lohasaha vao manomboka ho taitra amin'ny tori-masony, teny atsinanan'Antananarivo teny, ny hira hafahafa, nefa mampihoron-koditra : "O ! iza iza no hamonjy ahy ?…." sy ny hoe "O !… I … ! O !…, voasambotra izahay …ary ny hoe « …Aza manadino ahy, ry Mpihaino vavaka !…"
Araka ny re dia tsy nitovy avokoa ny zotra narahina, fa ny nisy ahy dia nihazo iny lalana mankany amin'ny Kolejy Rasalama, Andravoahangy iny. Tsy nitsahatra nanakoako hatrany ireo hira voalaza etsy aloha ireo, hany ka nivoaka nitazana teny am-baravarankely ny olona mitoetra amin'ny trano amoron-dalana. Tamin'izay indrindra no nohararaotina ny nanipy teny amin'ny arabe, tranona afokasoka efa nasiana taratasy kely misy hafatra ho an'ny ray aman-dreny, miaraka amin'ny adiresy mazava tao anatiny. Tsaroako fa taratasy telo no voasoratro : ny iray tao anatin'ny ireny tranon'afokasoka ireny, teny amin'ny Rasalama, ny roa kosa natolotro an-tanana ny FRS roa lahy avy any anindrana tao Arivonimamo. Taty aoriana rehefa tafaverina tao an-tranon-dray aman-dreniko aho dia hitako tao avokoa ireo taratasy ireo. Hararaotiko eto àry ny misaotra ireo nanao izay nahatongavan'ny hafatra tany an-tranonay, noho ny fandavantenany sy ny fitiavan-tanindrazana tao am-pony, ary indrindra noho ny fanehoany ny maha-samy Malagasy miara-miombona aina…
Fiaramanidina voalohany : ho aiza ?…
Tao Arivonimamo dia nihira indray ireo tanora marobe teo ambany tahon-tsaina, tsy misy saina akory miatrika, nihira ny "Ry tanindrazany malala o !…" Dia noterena nanao sonia, ary noterena hiaiky fa "nanongam-panjakana"…Ary sahabo ho tamin'ny sivy ora maraina teo, dia niainga ny fiaramanidina voalohany. Izaho mpitantara dia isan'ny tao anatin'io. Nitomany nidradradra ny teny ambany. Nanao toraka izany koa ny tao anaty fiaramanidina. Tsy tsapa intsony izay mety ho fifaliana ny amin'ny hoe "misantatra mitaingina fiaramanidina ny tena", fa tahotra, horohoro, alahelo matevina, hakiviana tsy manam-paharoa, ny toy izany no nibosesika tao anaty tao, ny tena moa sady tsy natory na indray mipy maso aza iny alina iny, no tsy nihinan-kanina hatry ny omaly hariva. Ny sakafo farany tao an-kibo dia izay nohanina ny zoma antoandro… Dia nanampy trotraka izany ny havizanana sy ny hatsiaka vao maraina…
Kelikely, rehefa vita ny fifanarahana tamin'ny zandary telo tao anaty fiaramanidina, ny amin'ny tokony hametrahany ny basiny, mba tsy hisian'ny horohoro ao anatin'ireto tanora efa hana ary sasatra, dia nivoaka ny mpanamory telo lahy. Nomeny ny sasany tamin'ny tovovavy ny akanjony mafana izay azony nomena. Fa ny tena nahazendana ka nandrava ny efitrefitry ny mety ho tsy fifampitokisana rehetra dia ny nanomezany mofo marobe, menakely, mofo gasy, ramanonaka vao mafana anay rehetra. Nahatratra 29 no isan'ny olona tao anaty fiaramanidina, ireny ilay lazain'ny miaramila hoe « dakota » ireny : mpanamory telo, zandary telo, ary mpianatra telo ambiroapolo, ka telo monja ny lehilahy.
Hatreo dia mbola tsy nisy nilaza na nampahafantatra hoe ho aiza, fa dia niroso nianavaratra andrefana ny dia, ary tokony ho tamin'ny roa ambinifolo ora teo, dia niantsona tao Analalava ny fiara. Hatreo ny anjaran-dry zalahy ireo. Fa inona indray no ho tohiny ?…
Ho any Nosilava, hono !…
Rehefa avy nihinankinana izay zavatra nomen'ny olona teny amin'ny seranan'Analalava teny, fa tena izany no fandehany, tokony ho tamin'ny iray ora antoandro, dia niainga ny sambo vedette salantsalany izay, nitondra anay niaraka tamin'ny valonan-damba vaventy marobe, narahina FRS telo hafa indray. Fandehanana sambo miampita ranomasina voalohany koa io, saingy fomba ahoana moa no isambarana izany raha fantatra fa andeha halefa sesitany ny tena ?…
Tamin'ny efatra ora teo ho eo ny famataranandro : nigadona teo amin'ny moron-dranomasina tsara tarehy be ny sambokelinay. Io koa no fotoana voalohany nahitan'ny maro taminay ranomasina !…Dia indreo koa misy FRS marobe mihitsy manemitra ny morona, mitondra itony basy « kalachnikov » itony, miaraka amin'ny ampinga fitaratra sy ny satro-by. Koa inona indray fa dia niverina ny horohoro sy ny tahotra. Nisovoka lalina ny fahakiviana. Nila hisoka aza ny famoizam-po…
Nisakafo hariva voalohany tany Nosivalava izahay . Nambara taminay fa tsy misy afa-tsy lovia 24, sotro 24, forisety 24, izay ihany no azo ampiasaina. Iny hariva iny dia samy nitana iray avy tamin'ireo fitaovana ireo aloha izahay, raha nihinana vary be vatokely nilaofana tamin'ny patsa fotsy feno fasika nalain-dro, fa tahatahaka izany hatrany no sakafo nandritra ny fe-potoana nijanonana tany.… Dia raikitra fa hatory. Nasaina niditra tao amin'izay trano be lavalava feno bara vy ny varavarankeliny, ary simenitra ny tany izay izahay. Izany hoe hiditra ao amin'ny fonja izany. « Tsy raikitra », hoy ny be di-doha isany. Tsy laitra nakisoka : « izahay angaha nangalatra, sa namaky trano, sa namono olona no hohidinareo ato » …
Nandresy indray, ka dia nidaboka natory teo amin'ny torapasika. Hay bodofotsy ireo valonana nentinay. Fa iny alina iny ihany, asa tokony ho tamin'ny 9 ora tany ho any, dia nisy namana hafa tonga. Tao anatin'izany ry Mopera Rémi Ralibera, ry Ingahy Rabetaliana, lehiben'ny sendikan'ny mpiasam-panjakana tamin'izany fotoana. Rehefa avy nivavaka izahay ny alahady maraina, teo am-body hazo lehibe iray izay, dia nitantara ireo tonga taty aoriana, ka fantatra tamin'izany fa tonga teo koa, ohatra, mpivady iray andeha hamonjy fampakaram-bady kanefa voarohy teny an-dalana teny, dia izay !
Fa ny tena nampihoron-koditra dia ny nahalalanay fa nisy « tongotra » entina mandehandeha eran'ny Araben'ny Fahaleovantena any Antananarivo any !… Dia an-tenda ny aina ! Nisavoritaka ny saina !… Dia fantatra koa fa mahatratra efa-jato mahery ny mpianatra voasambotra, ary mbola ho tonga eto Nosilava avokoa izy rehetra ireo. Vahoaka any izany rey olona è ! koa hanao ahoana ny fianana eto ? hoy ny fanontaniana tsy sahy naboraka, nisisika tany an-tsaina tany…
Ny fiainanan isanandron'i Nosilava…
Tonga tsikelikely ny mpigadra ary farany dia henika vahoaka i Nosilava, nosy iray mahatratra 11 km ny lavany ary 1 km mahery kely eo , hoe, ny sakany. Nisy ny tena gadralava, nisy ny gadra politika, tahaka an'Ingahy Resampa izany. Fa izahay ireto kosa : gadra inona ? Ny trano tsy ampy honenana, ny sakafo ambany foitra, satria tsy misy afa-tsy indroa isanandro ihany. Ny fitaovam-pihinana tsy ampy mizara. Ny fitafiana dia izay teny an-koditra ihany. Ary tena nampalahelo io, ho an'ny tovovavy sasany izay tonga fadim-bolana, fa dia ny akanjo sasany izay tsy voatery tsy maintsy entina toy ny fanao anatiny an'ny lehilahy, nanampy ireo fitaovana vitsivitsy nomen-dry Masera tao Analalava no namahana ny olana. Lalina any izany e !…
Rehefa misakafo indray dia olona roa hatrany no mifanaraka, ka amin'ny antoandro, manomboka amin'ny folo eo ka tsy mifarana raha tsy amin'ny roa, ny iray mampiasa sotro, ny iray faharoa kosa mampiasa forisety eo amin'ny lovia tokana ikambanana. Dia mifamadika indray amin'ny hariva. Vao lany ny sakafonao, dia anjaranao ny manasa ny fitaovana nampiasainao ka manome izany indray ny manaraka. Dia toy izany hatrany .
Fodiana tsy nampoizina…
Tsaroako ny alarobia tolakandro, sahabo tokony ho tamin'ny efatra sy sasany hariva tany ho any, raha iny mbola nilalao ranomasina iny ny ankabeazan'ny voasesitany, tsy hoe faly satria maka rivotra, fa tsy mahita atao, dia entin'ny fiaraha-mientan'ny maro, dia roboka fotsiny amin'izao ; ny sasany aza tsy manao na inona na inona akory, satria tsy misy anaovana koa moa, dia mandeha somary mihataka lavidavitra ny maro. Tamin'izay indrindra no namaky ny habakabaka ny feon'ny fiaramanidina iray. Nisidina nanatona akaiky ny mpilomano io, hany ka vetivety foana dia nangina ilay morom-pasika, satria tsy ela ny nielezan'ny feo tao anaty olona tao fa hoe « tonga hitifitra antsika iny, ka andao handositra, hanavotra aina »… Dia rifatra e !… Tsy tana !…
Kanjo, tsikaritra teny am-piafenana ihany, fa nilatsaka avy teny ambony teny, avy tao anatin'ilay fiaramanidina, irony elonaina kely irony. Tazana fa toa misy taratasy mifatotra teny aminy. Dia poa toy izay ihany koa no naharakotra olona ilay moron-dranomasina tsy nisy olona teo. Ny tena nanana aina aza - fa angamba koa tsy izany fa nentanin'ny fanantenana famonjena mafy - dia nirifatra namonjy izay nilatsahan'ireny elonaina kely vitsivitsy teny afovoan-dranomasina.ireny. Isan'ireny i Bema, tao amin'ny Lycée Galliéni tamin'izany fotoana. Izy no nahazo voalohany ny iray tamin'ireny. Inona tokoa ? : « miomana ry zalahy, fa tonga haka anareo izahay !… » Izany no soratra tao anatiny.
Dia nisahotaka indray ny vahoaka mpigadra. Nilamina ihany anefa. Iny hariva iny ihany dia niainga indray ny sambokely, asa moa izay isany fa tsy tokana aloha. Dia tao Analalava no nandany ny alina ny rehetra. Mbola teny amoron-dranomasina ihany. Nony maraina, dia inona tokoa, fa niondrana tamin'ny fiaramanidina indray fa « hody » !…
Fiaramanidina lehibe, izany DC 4 izany, hoe, no nitondra ahy sy ireo namako niara-dalana voalo-hany niampy olon-kafa koa. Hafa kely fa norosoana sakafo izahay teny. Hitan'iza taiza izany misakafo nefa manidina ? Tena tokony hipoaka ny fifaliana, kanefa… dia natelina mangina izay sakafo naroso tsy nahazoana tsirony, satria mbola nitambesatra tao an-tsaina ny tantara re. Somary naka toerana indray mantsy ny fanahiana, ary maika nihalalina aza, satria, rehefa tonga teny Ivato, ka niditra tao anatin'ireny fiara « super » mpanao « bus » sy « taxi-brousse » ireny, dia raiki-tahotra fa sao hoe misy mitifitra eny an-dalana eny. Lazaina fa tsy ampy mihitsy ny fanazavana azo momba izay toe-draharaha fa ny fantatra dia hoe « hody fotsiny », hono. Dia izay. Aza gaga ianao raha lasa ho azy ny fanahiana.
Teny an-dalana àry dia toy ny tsy nisy olona tao anatin'ilay fiara nitondra anay - tsy fantatro izay tany an-kafa - satria nidina niforitra hatrany ambany seza rehetra tany ny mpandeha resin-tebiteby. Ary rehefa nakarina teo ambonin'ny lampihazo nandraisana ny « rallye de Madagascar » tamin'izany fotoana aza izahay, ka haseho vahoaka sy tononina anarana tsirairay, dia mbola nanenika mihitsy ny tahotra sao hisy hitifitra… Dia nentina nisakafo tao amin'ny Hotel Glacier avokoa ny rehetra iny hariva iny, vao nody tany an-tranony avy. Ho ahy manokana dia azo lazaina fa nitombina ihany ny ahiahy sy ny tahotra, satria teny amin'ny manodidina anay dia mbola nafotaka tokoa ny tifitra nanafihana ny PSM teo Ambohidahy. Koa raha ianao no teo amin'ny toerako, ho nitony ve ianao, ary ho hainao ve ny nihanoka ny fifaliana nihaonanao tamin'ny havanao indray ? Asa, fa andro roa na telo vao tafididtra indray ny tena .
Fa inona moa no nitolomana tamin'izany ?…
Nikomy ny tao Befelatanana, ny mpianatra ho dokotera io. Niainga tamin-javatra tsotra dia nitatra ka tonga tamin'ny fahatsapana tsy fitoviana teo amin'ny mpianatra ho dokotera teny Ankatso sy tao Befelatanana. Dia nihazo ny Oniversite iray manontolo. Tonga tany amin'ny Lycée. Ary farany dia nanenika ny ambaratongam-pampianarana rehetra nanerana ny Nosy : « Sekoly miangatra ». Tsaroko fa teny niverimberina foana teny ny hoe « mianatra dia ho aiza, bevohoka dia mitaiza ». Fa nivadika mora koa io resaka io ka tonga politika. Dia voaresaka koa ny fironan'ny mpitondra tamin'izany fotoana izany be loatra tamin'ny Frantsay. Nipoitra ny fitadiavana ny tena fahaleovantena, ny tena maha-izy ny tena.
Dia nisy ny nahay nanararaotra izany. Tsy iray, tsy roa, fa maro, ary mbola manohy manararaotra foana ny toe-javatra sasany, tahaka ny hoe fihetsiketseham-bahoaka…hatramin'ny ankehitriny Mazava ho azy fa rehefa tsy ny faharesen-dahatra sy ny tena fitiavan-tanindrazana no mibaiko, fa ny tombontsoa manokana sy ny kajikajin'izay rehetra miseho ho marani-tsaina, ka manararaotra ny zavatra rehetra hakana fanjakana, dia voailika fa tsy voavaha ny olana. « Voanemba mitsipika an-joro izy amin'izay, ka tsy very fa maka toerana ». Mangina ary mitelina ny famoizam-pony ny Vahoaka voafitaka. Saingy tsy miala vehana izy, fa « maka saina », ary dia mitroatra rehefa tonga ny fotoanany.
1982 : moa tsy nirongatra ny olona, na dia tao aza ny fanjakana jadona nisy tamin'izany fotoana ? Ny valisoany ve ? Tadidintsika fa krizy be nanadala : ny vary sady voafetra no nilaharana maraim-be ; ny fanafody, ny menaka, ny savony, ny sakafon-jaza teny amin'ny farmasia : samy nanjavona avokoa. Dia nipoitra mora foana tahaka ny majika ary naka toeran tsy hay notohaina ilay fomba malazan'ny Repoblika Faharoa natao hoe : « risoriso ». Niampy indray ny olana, fa mbola « miangatra ny sekoly », dia « miangatra koa ny fiainana » !…
1991 : tsy nanampo ny mpibodo fahefana sy ny forongony. Tsy miova koa ny fihetsiny, maha-gaga !… Raha « tsakitsaky, zato, arivo… » no baikon'ny teo aloha, tamin'ny Repoblika Voalo-hany, dia ny hoe : « na dia hihodidina impito, impito-polo, impiton-jato aza, dia… ». Fa na izany aza, dia mahatadidy avokoa ny « raharahan'ny 10 Aogositra 91 » isika rehetra : famonoana Malagasy Mpiray Tanindrazana koa io, tahaka izay nitranga tamin'ny 13 Mai 1972. Nisy ny fanantenam-piovana sy fanovana tamin'izany fotoana. Saingy vetivety foana dia « nakohon'ny nahiny tahaka ny ranovola tra-maraina » ihany izany. Dia « volan-kakafotra, ka ny omaly tsy miova ihany »…
2002 : « sodifafana ny vahoaka Malagasy, ka atsipy any an-kady vao manongalika ». Iza indray no nanampo fa hifoha amin'ny torimasom-pahantrany tsy hita hovisavisaina ilay Vahoaka Malagasy mijaly sy ampijaliana mandavam-piainana ?…Iza indray no nieritreritra fa tena hiray hina indray ny Vahoaka Malagasy hanilika ny « ratsy sy ny herin'ny maizina » ?…Iza moa no nanampo fa ilay Vahoaka Malagasy nolazaina sy asaina milaza hoe « leo pôlitika » no nanao ny tena pôlitikam-pitiavan-tanindrazana. Toa zavatra tsy toa inona akory, hevitra toa tsy mirindra akory no tonga hery nanentana ny rehetra ; « aza matahotra, minoa fotsiny ihany ». Sarotra ninoana ho nandrava fanjakana jadona izany, jadon-kevitra, jadom-bola amam-panana, jadom-pahefana, kanefa dia nahavita izay tsy neritreretina satria : « ny fihevitro tsy fihevitrareo ».
Tsy misy ratsy tahaka ny fahazaran-dratsy, fa zary toetra raikitra io rehefa miverimberina. Nandritra ny efapolo taona nahazoana ny Fahaleovantena dia niriorio tao an'efitra tahaka ny zanak'Israely ny Vahoaka Malagasy. Nihevitra izy fa niroso ny diany kanjo, isaka ny folo taona vao tsapany fa ny teo ihany no miverina. Dia mikomy izy, mitroatra. Folo taona efatra izay no lasa. Ampiana folo iray fahadimy indray ve ?… Sa kosa efa ampy izay !…
Efa antsasaka siekla, ary mihoatra aza, ny ankabeazan'ny mpianatra voasesitany tany Nosilava telopolo taona lasa izay. Mipetraka àry ankehitriny ny fanontaniana : afaka ve ny olona ? Tsy miangatra intsony ve ny sekoly ? Tsy miangatra intsony ve ny fiainana ? Raha izany tsy aleo mandroso, fa « isika tsy mba naman'izay mihemotra » akory. Ny tsirairay miezaka mandroso no mampandroso ny rehetra, ary ny tsirairay tsy mitaredretra no mahatonga ny fampandrosoana ho haingana. Ary ny fitondram-panjakana mahay mandrindra no mahatonga ny tsirairay hazoto hampandroso ny tenany sy ny Fireneny.
Ho foana anie ny fahazaran-dratsy !
Handroso anie i Madagasikara !
--
Auteur : Fano
Date : 13-05-03 00:32
Misaotra anao indrindra Ndremiadana.
Tao koa ny tenako, solontenan'ny Bahut.
Raharaha niantomboka ny volana febroary (niarahana tamin'ny mpianatr'i Befelatanana...). Ohatra iray : Isaka ny asabotsy dia lasa izahay telo dahy kely (mpianatr'i Bahut, L. J. Ferry, L. Rabearivelo) nalefa mitety mpanao gazety (Imongo, Hehy, Vaovao...), mba hanazava ny tsy mety sy ny hetahetan'ny mpianatra. Ny nandray anay telo dahy tao @ gazety Hehy dia G. Andriamanantena. Ny namana sasany dia nalefa eraky ny mpitondra isan-karazany (Ministera)...Miboredika, mitady ny teny sahaza satria mbola tsy ampy loatra. Tsy natahotra anefa teo anoloan'ireo mpitondra ... manazava, manontany ary noraisin-dry zareo tsara ihany. Ny vavy kely solontenan'i L. J. Ferry dia vao 16 ans (Ninni, nipetraka tao Andravoahangy), izahay roa lahy dia zokiny kely. Dia tonga ny 12 sy 13 Mai ary Sesitany tany Nosy Lava hoy ianao.
Raharaha nandamoaka satria nivadika biby : mpanao politika sy miaramila no tao ambadika, ka ny mpianatra izay tsy mbola mahalala ny atsimo sy avaratra no natao fiasana. Dia Sesitany taty Frantsa koa raha ny fandraisoko ny tohin'iny tantara iny….
Ho an'ireo tsy mahafantatra dia toy izao ny fanontanian'ireo polisy izay naka an-tsoratra, tamin'io alina io, tao @ ilay amphi. nohodidinin'ny FRS mirongo basy : "ny anaranao, taona sy toerana nahaterahana, aiza no mianatra, iza ny anaran'ny rainao, aiza izy no miasa, ny anaran'ny reninao, inona ny asany ?...".
--
Le 13 Mai 2003 à 08:44 GMT,
radzo (rtjohary_chez_hotmail.com) a écrit :
Re : 13 Mai 72 : fahatsiarovana
>
Dia mba iza kay no nandefa ilay hafatra tamin'ny boatin'afokasoka tany an-tranonareo ?
Hafa tokoa ny olona tamin'ny zany. Amin'izao dia tena tsy azo atokisana ohatra izany intsony ny olona. Tsy mety raha tsy tambazana valisoa, amin'izay aza mbola ivavahana mafy ny hetezany.
Madatsara.com
--
Sujet : Re : 13 Mai 72 : fahatsiarovana Le : 13-05-03 à 10:53
Mbola tsy teraka akory aho tamin'izany fa isan'ny liana amin'iny tantara iny. Dia mamaky ireo fijoroana vavolombelona ataon'ny tena niatrika izany fotoana izany.
Koa dia manainga ny rehetra izay niaina izany mba hanoratra izany ho tantara, tsy fanadino akory, fa ho tantara hiverina ao an-tsain'ny tanora aty aoriana rehetra, hakana lesona..., satria na tiantsika na tsy tiantsika dia isan'ny nitondra fiovana teo amin'ny firenena izany.
Dia misaotra sahady ireo efa nanao izany toy ireto zoky ray aman-dreny eto aloha sy ny mbola ho avy ihany koa.
Auteur Radzo
Madagate .com